antso hivavaka

mitaraina ny tany...
2009/05/09,13:37

« Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany » Gen 1 :1

« Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin’ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa mbola tsy mbola nampilatsaka ranon’orana tambon’ny tany Jehovah Andriamanitra, ary tsy nisy olona hiasa ny tany; nefa nisy zavona niakatra avy tamin’ny tany ka nandena ny tany rehetra. Ary vovon-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony dia tonga olombelona izy » Gen 2 :5-7  

 

Mifamatotra amin’ny tany ny fiainan’ny zanak’olombelona ary tsarovy ny nataon’ny Adama : rehefa tsy nankato ka nandika ny didin’Andriamanitra izy dia nozon’Andriamanitra ny tany (« Satria efa nihaino ny feon’ny vadinao hianao, ka nihinananao ny hazo izay nandrarako anao hoe : Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao »  Gen 3 : 17). Izany hoe tadidio fa rehefa manota ianao dia ny tany izay onenano mihitsy no voaozona.

Araka ny II Tantara 7 : 14 “Raha ny oloko, izay nantsoina tamin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino azy any an-danitra Aho ary hamela ny helony sy hanasitrana ny taniny”. Diniho, mbola hamafisin’Andriamanitra fa, raha tsy mibebaka ny olona ka hiala amin’ny fomba ratsiny sy mitodika amin’Andriamanitra irery ihany, tsy ho sitrana ny taniny ary mbola ho betsaka foana ny fahoriany.

   Marina tokoa izany. Mampalahelo ny fiovan’ny toe-tsain’ny olombelona rehefa entin’ny fandrosoana, ka mihevitra fa amin’izao vanim-potoanan’ny fanatontoloana izao ve dia mbola hiverina hiasa tany. Iza anefa no afaka hilaza fa ny akanjo, na fiara, na haingo, na solosaina, na finday, na ny zavatra materialy no mahavelona ? Ary iza no tsy mahalala fa efa maro ny olona ankehitriny no mandao ny tontolo ambanivohitra izay mba faritra kely dia kely sisa mba mikarakara ireny tany ireny. Tsy misy ary tsy hisy afa-tsy ny TANY ary ny vokatry ny TANY irery ihany no manome aina. Satria avy aminy irery no ahazoana sakafo iveloman’ny olombelona rehetra sy tontolo iainana manodidina azy. Manampy azy koa etsy andanin’izany ny rano. 

  Iza ary firy amintsika anefa no manasoa sy manamainty molaly ny tany ? Firy amin’ny Malagasy no manajary ny tontolo misy azy : tsy manimba, tsy mandoro, tsy manao maloto sy tsy manimbazimba ny tany onenany. Maro no fanentanana ny hikajiana ny tontolo iainana, ny hitandrovana ny zava-boary izay harena sy tombom-pahasoavana nomen’Andriamanitra ny Malagasy. Rano raraka an-damosin-gisa anefa ireny ary vao maika aza mampitombo ny faritra simba sy potika noho ny hetraketraky ny olombelona.   Napetrak’Andriamanitra eto Madagasikara isika ary nomeny zava-tsoa maro tsy ananan’izao tontolo izao. Ny vahiny aza mitolagaga mahita ny hakanton’ity tanintsika ity ka maro ireo maniry te hanao zavatra eto.   


Koa amiko, tsy hitako izay mahamaika antsika amin’izay fandrosoan’ny teknoljia any, raha tsy ampiasaintsika ireny hanamafisana ny fiarovantsika ny soa toavin’ity tanintsika ity. Ary ho an’ireo olona tsy manana fahafahana ampiasa izany, eny ho antsika rehetra mihitsy, rehefa mbola tsy miezaka isika hikolokolo ny tany onenantsika dia mbola hahantra eto foana isika.

Efa natolotr’Andriamanitra ho anjarantsika ny fikojakojana ny natiora sy ny tonotolo iainana manodidina antsika. Ny fahavitantsika izany no ahafahantsika ihany koa mizara amin’ny firenena maro ny vokatry ny tanintsika sy hakantony.  Mifonà ho an’ity tanintsika ity ary ndao hamboly sy hiaro faran’izay mafy ny tontolo iainantsika.      

Herinomenjanahary F.
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype