Ny fitiavana araka ny soratra masina…
2009/07/22,09:09
Ny fitiavana araka ny soratra masina…
“Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.” I Jaona 4:8
Raha dinihina, io fehezan-teny io fotsiny dia efa manambara mazava tsara ny atao hoe fitiavana. Raha manam-pitiavana ianao dia manana an’Andriamanitra. Andriamanitra tenany mihitsy no fitiavana, ka raha mitoetra ao am-ponao Izy dia ao anatinao koa izany ny tena fitiavana. Raha tsy manana an’Andriamanitra moa ianao dia mbola tsy manam-pitiavana araka izany.
“Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.” I Jaona 4:16
Marihina tsara aloha izany fa tsy fihetseham-po velively araka ny iheverantsika azy akory ny atao hoe fitiavana. Matetika tokoa mantsy isika dia mihevitra fa atao hoe fitiavana ny fihetseham-po amin’ny olona iray ohatra. Tsy diso avy hatrany akory izany fa raha ny marina dia tsy mazava sy tsy ampy. Mety misy ny faniriana sy ny fihetseham-po tokoa fa tsy feno ireo ilazana fa tianao tanteraka ilay olona na koa manam-pitiavana azy ianao. Ny mitranga aza dia filàna no mameno ny fontsika, filàna ho an’ny tenantsika.
“Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay” Jaona 3:16
“Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” Jaona 15:13
Ny fitiavana izany dia miteraka asa na fanoloran-tena no marimarina kokoa. Tsy manao ny tenany ho ambony fa manome na dia ny ainy aza hahasoa ny hafa. Raha tia olona izany ianao, moa efa mba nieritreritra izay hahasoa azy ve? Sao dia sanatria miandry zavatra avy any aminy indray. Tandremo fa tsy fitiavana izany. Io ilay fitenintsika hoe “tia tena” amin’ny heviny ratsy. Ny fitiavana ny hafa dia fanekena ataonao hanasoavanao azy, ary ahatsapany fa misy zavatra tsara atolotrao azy avy any am-ponao any. Tsy an-tery koa anefa fa safidinao hizaranao ny fiainana irinao hiarahana aminy ohatra. Raha tsy tia azy akory, tahaka ny itiavanao an’Andriamanitra, ianao dia aza mamita-tena na mamitaka ny hafa fa tsy hahita fahasambarana ao anatin’izany na oviana na oviana ianareo.
“Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany, fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” I Jaona 2:15-17
Andriamanitra raha nilaza fa tia antsika, tsy nijanona ho teny fotsiny izany fa naneho izany tamin’ny fahasoavana Izy, tamin’ny fitantanany mahagaga ny fiainantsika ary indrindra tamin’ny nanafahany antsika ho afaka amin’ny fahotana; ka nanolorany an’i Jesoa kristy zanany no faty ary nandatsaka ny rany hanadiovany antsika. Jereo fa izany no fitiavan’Andriamanitra tsy mamela antsika ho faty amin’ny ratsy fa mbola tiany hovonjena hatramin’ny farany isika ary homeny fiainana tsara indrindra izay efa nomaniny ho antsika.“Endrey! Manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy.” I Jaona 3:1
Ny fitiavana tsy mila tambiny ary tsy manisy ratsy ny tiany.Raha manam-bady ianao, nahoana moa no manaratsy na mameno fankahalana am-po amin’ny vadinao? Izy aza tenanao ihany. Raha milaza ho tia an’Andriamanitra ianao (na manana an’Andriamanitra) nefa ianao mankahala ny Ray aman-dreninao na ny rahalahinao, moa azo lazaina ho manam-pitiavana ve ianao?“Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny. Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin'ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika.” I Jaona 3:10-11
Ny fitiavana koa anefa tsy fanompoana:Tadidinao ny tantaran’ilay zanaka adala. Nalahelo tokoa ny zokiny satria teo anatrehan-drainy foana nanao izay rehetra nandidian’ny rainy azy nefa tsy mba nahazo na dia ondry iray aza hifaliany niaraka tamin’ny namany. Nataony ho fanompoana ny nanekeny hitoetra teo amin’ny rainy ary niandry sitraka sy valiny izy tamin’izany, izay no heveriny ho fitiavana mihoatra ny fitiavan’ny rainy nahita ilay zandriny.
“Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy (Jesoa Kristy) no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy. Ary izay rehetra manam-pananana amin'izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran'ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatiny? Anaka, aoka tsy ho tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina.” I Jaona 3:15-18
Moa tsy fanirian’Andriamanitra tokoa ve ny hoe mifankatia avokoa ny olona rehetra eto ambonin’ny tany.
Ary efa nataony didy mihitsy aza moa izany satria raha araka ny filazantsara dia tsy misy didy hafa intsony afatsy ny hoe : “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” Jaona 13:34-35. Ny olona mifankatia ihany no afaka miteny hoe mpianatry ny Tompo.
Tany amin’ny testamenta taloha, fony mbola lalàn’i Mosesy, dia ny didy folo no nasain’Andriamanitra notandreman’ny olona. Saingy niova izany taorian’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy ary nofeheziny tamin’ny hoe : "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra" ( Deo.6.5); ary "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao"( Lev.19.18). Lioka 10:27
I KORINTIANA 13
13.1 Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.
13.2 Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona aho.
13.3 Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
13.4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
13.5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo,
13.6 tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa,
13.7 mandefitra (*) ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
13.8 Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.
13.9 Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika;
13.10 fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.
13.11 Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.
13.12 Fa ankehitriny isika mizaha ao amin'ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
13.13 Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.
N’inona heverintsika atao arak’ireo zavatra voalaza rehetra ireo, rehefa tsy vokatry ny fitiavana (Andriamanitra) fa fireharehana na fitadiavana sitraka na tombontsoan’ny tena dia tsy misy dikany na dia kely akory aza.
“Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.” I Korintiana 16:14