Lioka 5 : 33 – 39
33 Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr'i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an'ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany. 34 Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan'ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? 35 Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra* ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izany andro izany vao hifady izy.[*Na: Ny andro izay hanesorana] 36 Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin'ny vaovao dia tsy hifanaraka amin'ny tonta. 37 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra; 38 Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao. 39 Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara*.[*Na: tsaratsara kokoa]
Siny = Olona mandray Divay vaovao = fampianarana vaovao nentin’i Jesoa Kristy
Mpamafy = Jesoa Kristy (Filazantsara)
Voa afafy = Tenin’Andriamanitra (famonjena) => Fanjakan’Andriamanitra
Tany = Ny fon’olombelona
Tranga 1: voafafy teny amoron-dàlana; dia avy ny vorona ka nandany azy (and 4)
Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Izany no ilay nafafy teny amoron-dàlana (and 19)
Tranga 2: voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina. Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy (and 5-6)
Fa ilay nafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy (and 20-21)
Tranga 3: voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy (and 7)
Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy (and 22)
Tranga 4: voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny (and 8)
Fa ilay nafafy teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra (and 23)
Izao anefa, hisy tokoa ny taom-mpamokarana ;
fa tsy maintsy ho avy koa ny fotoam-pijinjana (fararano)
Mpamafy ny voa tsara = Ny zanak’olona (Jesoa Kristy)
Ny tanimbary = Izao tontolo izao (Ny fiangonana, ny fon’olombelona…)
Ny tsimparifary dia ny zanak'ilay ratsy ; ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly
Fararano = Ny fahataperan'izao tontolo izao
Mpijinja = Ny anjely
Koa satria navela niara-naniry tamin’ny vary ny tsimparifary ambara-pihavin'ny fararano ; dia rehefa tonga kosa ny fotoam-pijinjana tsy maintsy avahana izy ka dorana ["Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro" (and 30b) …hanipy azy any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify (and 42)]
Misy koa anefa amin’ireo voam-bary no tsy tena voa tsara akory fa AKOFA fotsiny ihany rehefa nandalo fikororohana. Ireo izay hita soritra ety ivelany fa miendrika voa nefa tsy izy akory. Izany hoe ohatran’ny Kristiana ihany nefa tsy mino na ny fony tsy nandray an’i Jesoa akory.
Matio 3 : 12 …eny an-tànany (Jesoa) ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra ; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy mety maty.
Ny akofa dia ho dorana toy ny tsimparifary!
"Izay manan-tsofina (ho enti-mihaino), aoka izy hihaino" (and 9 & 43a)
Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dàlana sy hitondra anao ho any amin’ ny fitoerana izay namboariko.
Ny lalàna no farafahakeliny: Io izany no tokony ho vitaina
Ohatra: adidy 5000 ar isam-bolana
Raha lalàna dia tsy maintsy aloanao io
Raha fahasoavana dia tokony mihoatra ny lalàna = satria ny fahasoavana no bebe kokoa
Raha toa ka 4000ar no omenao dia na ny lalàna aza tsy vitanao akory.
Mat 11:27 Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy.
Misy ny fanekena izay ataon'ny Ray aman-dreny rehefa amin'ny fotoana hanaovana batisa ny zanany.
Azonao toky ve fa mahafantatra an'Andriamanitra ny zanakao? sa na ianao aza misalasala?
Iza io Andriamanitra io ?
Andriamanitra nahary izao tontolo izao, fitiavana, mpamela heloka ka namonjy ny olombelona rehetra, hanome ny fiainana mandrakizay
Mino an'Andriamanitra ary ve ny zanakao ?
Any am-pianarana no sehatra azo antoka afaka hanabeazana ny olona ho olom-banona.
Ireto misy hevitra arosoko hanatsarana ny fandaharam-pianaran'ny ankizy malagasy.
Amin'ny fahakeliny (ambaratonga voalohany) dia tsara raha mahay ireto (5-10 taona)
Ny antony : fototry ny maha-olompirenena ; satria hatreto ny ankamaroan'ny zanaka malagasy dia mijanona eto ny fianarana vitany.
Rehefa manomboka ho lehibe izy (ambaratonga faharoa) dia mila ampahafantarina ny mahakasika ny fiainany (11-15 taona)
Ny antony: ahalalàny sy ifehezany ny maha izy azy
Ary ho an'ireo tanora efa nahazo ny fahalàlana fototra dia tsara omanina hiatrika ny ho aviny izy (asa) (16-18 taona)
Ny antony: hananany toe-tsaina miabo vonona hamokatra
Ny ambaratonga ambony dia efa mandray an-tànana ny hoaviny izy ka misafidy izay làlana tiany. Fanohanana no ilainy: hevitra, vola, fomba fiasa mahomby, fitarihana...
L’éducation est l’arme la plus puissante qu’on puisse utiliser pour changer le monde. Nelson Mandela
Ny zanaka tiana no anarina.
Matetika ny fandre dia :
Tsy ilaiko ianao...
Ataovy hitako anie ianao...
Raha mbola zanako koa tsy maintsy manaraka izay lazaiko
Samy hafa amin'ny hoe
Tiako ianao zanako raha manaraka izay teneniko hahasoa anao.
Tsy hanolo-bato mafana anao aho
Raiso ny anatra atolotro anao
Izao no mety atao amin'ny fiainana : Tsara raha... Mety raha... Tohizo... Saino...
Ny ana-draiamandreny toy ny tsipak'ombalahy, raha tsy mahavoa mahafanina, raha mahavoa mahafaty
Marobe ny fahaiza-miaina/fahalalam-pomba ilaina eo amin'ny fiaraha-monina ary arakaraky ny sokajin'olona sy ny sarangany indrindra ihany koa. Eo anatrehan'ny karazan'olona manoloana anao dia misy fihetsika samihafa tokony ho voafehy sy hainao: Manoloana mpitondra fanjakana, mpitondra fiangonana, Ray aman-dreny, Mpiraitampo, Havana, Namana, Vehivavy, Ankizy.
Ireny rehetra ireny dia samy hafa ny fomba fanajana azy. Tsy hiditra @ antsipirihany eto isika satria lava dia lava raha tanisaina fa ny kely indrindra izay tokony ho fantatra no ndeha ho zaraina:
Miarahaba
Manao azafady
Misaotra
Mari-panajàna
Fihetsika maotina
Ito misy rohy izay mamelabelatra ny fahalalam-pomba
http://teny-fiainana.e-monsite.com/pages/ny-fahalalam-pomba.html
Inona avy moa no atao hoe fahalalam-pomba?
Fihetsika sy fahaiza-miaina tena tsara andrasana amin'ny olona rehetra ny fahalalam-pomba. Ary satria ny Tenin'Andriamanitra dia milaza fa
« Na inona na inona marina, na inona na inona maha-te ho tia, na inona inona madio, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany » (Filipiana 4:8)
Dia zavatra izay tokony heverin'ny kristiana tsiariray avy, ary ny olona rehetra mihitsy, ny hananana fahalalam-pomba. Mahafinaritra mantsy ny miara-miai-na amin'ny olona mahalala fomba. Ary eny fa na dia tsy mahafeno ny famaritana ny atao hoe fitiavana aza ny fahalalam-pomba, ny fifehezana azy fotsiny dia efa afaka mamoha ny fitiavana. Mampalahelo anefa fa tapitra tsy mahalala fomba ny ankamaroan'ny Malagasy ankehitriny, indrindra fa ny ankizy sy ny ta-nora. Koa dia andeha àry haverintsika holazaina eto ireo karazana fahalalam-pomba izay andrasana amin'ny olona rehetra:
(1). Rehefa mihaona amin'ny olona fantatrao ianao, indrindra fa hoe mifanerasera aminao, namanao, mifanampy aminao, mifampihinana ny manta sy ny masaka aminao, dia arahabao izy. Ny teny voalohany tokony hivoaka amin'ny vavanao dia ny fiarahabana azy. Mampalahelo ny toetran'ny tanora indrindra indrindra ankehitriny, na dia ny namany, na dia ny olona manampy azy, na dia ny olona mifampihinana ny manta sy ny masaka aminy aza, dia tsy vitany ny miarahaba azy. Raha ohatra tsy afaka miteny izany ianao fa eny am-pitan'ny arabe ohatra, na somary mifanalavitra ianareo fa tsy mifanena, dia manaova fihetsika maneho fiarahabana amin'ny tanana na amin'ny vava.
(2). Rehefa mihaona, na mifanena amin'ny olona amin'ny olona fantatrao ianao, ka ianao no zandry olona, fa izy no zokinao, dia ny zandry olona no miara-haba voalohany ny zokiolona, ny zanaka no miarahaba voalohany ny raiamandreny, ary ny mpiasa no miarahaba voalohany ny mpampiasa. Raha tsy hoe angaha zazakely mbola tsy mahay miteny ianao, na zazakely tian'ilay zokiolona amin' ny fomba manokana, koa dia izy no mandeha miarahaba anao voalo-hany.
(3). Rehefa mivahiny any an-tranon'olona ianao ka tsy nasaina, dia anjaranao vahiny no miarahaba voalohany ny tompon-trano, na iza izy na iza, eny fa na dia ny zandrinao aza. Fa tsy ianao vahiny indray no handeha hiandry ho arahabaina. Fa raha kosa nasaina ianao, dia tsy maninona raha ny tompon-trano no miarahaba anao voalohany: midika izany fa niandry dia niandry anao tokoa izy.
(4). Rehefa mivahiny any an-tranon'ny namanao ianao, na any an-tranon'ny fianakavianao, dia aza ny namanao, na ny fianakavianao ihany no arahabainao sy ataonao veloma, fa ny olona rehetra izay hitanao ao. Firifiry ny ankizy sy ny tanora no tsy mahalala izany akory, eny fa na dia ny lehibe sy ny antitra aza, fa ilaozany mivandravandra fotsiny rehefa mahita ireo olona hafa ao-trano, kanefa tsy namany
(5). Rehefa mahita olon-dehibe eny an-dalana ianao, dia aza antsointsoina izy, eny fa na dia misy ilanao azy aza. Indrindra izany hoe avy ery amin'ny 100 metatra na 200 metatra ery no misy anao. Raha tsy hoe angaha marary malemy tsy afaka miala eny ianao ka mila vonjy maika aminy, na mety tsy ho tafaresaka aminy ianao na dia efa manenjika azy aza. Izany no mahatonga anareo tanora lahy tsy misy mijery akory rehefa misiotsioka vehivavy eny an-dalam-be: satria voalohany indrindra dia tsy mahalala fomba. Vao manomboka ny fifandraisana dia efa maneho ny tsy fahalalana fomba, ny tsi-fahaizana mifandray aman'olona. Tadidio tsara fa
« Foto-kazo sy vorona io, ka izay manina no manatona ».
Ary tadidio tsara fa ny ankizy no antsoin'ny ray aman-dreny, ary ny samy ankizy no mifampian-tsoantso, fa tsy ny samy olon-dehibe manan-tsaina akory. Rankizy sy ry tanora malala, aza miantsoantso olon-dehibe eny an-dalana, indrindra indrindra aza antsointsoinao amin'ny anarany izy, fa tsy fahalalam-pom-ba, tsy fanajàna olona izany.
(6). Rehefa mifanena amin'ny olon-dehibe izay fantatrareo, na ny mpampianatra anareo eny an-dalana ianareo, rankizy sy ry tanora malala, dia aza arahabainareo amin'ny anarany izy, na amin'ny anarana izay nomeny anareo, fa tsy fahalalam-pomba, tsy fanajàna olona izany. Tsy ankizy kely sy tanora vao misondrotra toa anareo akory ny olon-dehibe sy ny mpampianatra anareo, koa dia azonareo tonotononina amin'ny anarany, toy ilay hoe mitovy sata aminareo iny izy. Tadidio tsara fa ambony noho ianareo ny olon-dehibe rehetra, indrindra fa ny mpa-mpianatra anareo, mitovy toerana amin'ny ray aman-dreny izay niteraka anareo izy, manan-kasina mitovy amin'ny an' ny ray aman-dreny izay niteraka anareo izy, koa dia fanajàna mitovy amin'izay atolotrareo ny ray aman-dreny izay niteraka anareo no asaina atolotrareo azy. Eny fa na dia misangisangy aminareo (manao « plaisanteries ») aza izy tsindraindray, dia tsy midika akory izany fa lasa mitovy laharana aminareo izy izany, koa azonareo entina amin' izay tianareo itondrana azy. Tadidio tsara fa na ny Tenin'Andriamanitra aza dia milaza hoe
« Manajà ny olona rehetra » (II Petera 3:16 ?).
(7). Rehefa mitady ny namanao, na ny olom-pantatrao any an-tranony ianao, aza avy any ivelany any ianao no tonga dia miantsoantso azy amin'ny anarany, na miantso azy amin'ny alalan'ny fisiahatsiahana, na mitoratoraka ny varavarany, na ny varavarankeliny, fa dondomyny varavarana na ny vavahady, dia arahabao na iza na iza mipoitra eo. Raha ilay olona tadiavinao moa no avy hatrany dia mipoitra eo, dia zara ho anao. Fa raha olon-kafa kosa no mipoitra eo voalohany, rehefa avy nampisehoanao izay fahalalam-pomba izay izy, dia ho mora aminao ny manontany azy raha ao izay olona tadiavinao na tsia. Ary hametraka fahatsiarovana tsara amin'ny fianakavian'ilay namanao ianao ka vao mainka hanatsara ny fifandraisanao aminy izany.
(8). Rehefa mihaona amin'ny olona izay fantatrao ianao, aza maika ny hanolotra ny tananao hiarahaba azy. Tadidio tsara, fa ny zokiolona no manolotra voalohany ny tanany amin'ny zandriolona, ary ny lehibe no manolotra voalohany ny tanany amin'ny mpiasa manampy azy, fa tsy ity olona rehetra ity akory no andeha anolora-nao ny tananao.
(9). Rehefa mivahiny any an-tranon'olona ianao, aza manao toy ny hoe any an-tranonao, ka ianao vahiny indray no hampiafiafy ny tompon-trano. Miera mandrakari-va alohan'ny hanaovanao zavatra izay mahakasika ny tompon-trano ao, eny fa na dia heverinao ho tsy misy dikany intsony aza izany. Tsy mitovy fomba fihevitra sy fanao aminao avokoa akory ny olona, ka hankasitraka sy hanaiky mandrakariva izay hataonao.
(10). Rehefa mandalo olona izay mipetraka ianao na mitingitingina, manaova azafady, fa aza mandika toy ny omby be fotsiny. Indrindra fa raha olon-dehibe ilay olona mipetraka.
(11). Rehefa mila ny fanampian'ny olona ianao ka tsy afaka na tsy te hiala eo amin'ny toerana izay misy anao, dia manaova aloha "Azafady" izay vao mampanao azy izay zavatra ilainao, fa tsy tonga dia mibaikobaiko fotsiny azy amin'izao toy ireny hoe mpiasanao ireny izy. Na koa antsoy amin'ny anarany izy, dia mba asio "Mba" ny zavatra izay ilainao aminy, fa tsy hoe "K'aiza e", na "Avia".
(12). Rehefa misy fahadisona tsy nahy nataonao tamin'olona, dia mba manaova "Azafady", fa tsy mandeha jonjorombina fotsiny amin'izao ianao.
(13). Rehefa avy nivahiny tany an-tranon'olona ianao, ka handeha, dia manaova veloma izay olona notsidihinao tao, ary ataovy veloma avokoa izay olona rehetra hitanao tao, na mba anafaro ilay olona nalehanao tao mba hampitany ny "Veloma" sy ny "Mampamangy" amin'ny olona rehetra, fa tsy mandeha fotsiny amin'izao any amin'izay tianao aleha ianao. Tadidio tsara fa
"Ny tonga tsy miarahaba hono tsy naman'ny faly, ary ny lasa tsy manao veloma naman'ny tezitra".
(14). Rehefa hisakafo, dia tsy fahalalam-pomba raha ny zandry olona, na ny vahiny sy ny olona nasaina no maka ny sakafo natolotra voalohany, sy mihinana voalo-hany, ary tsy fahalalam-pomba ny miala ny latabatra raha mbola tsy nahalany avokoa ny olona rehetra (raha tsy hoe ho any amin'ny efitrano fivoahana ianao). Fa raha tsy maintsy hanao izany ianao, dia miera aloha, vao manao izany, fa mahasadaikatra ny olona rehetra.
(15). Rehefa mahita zokiolona na vehivavy mitondra vohoka, na mitaiza kely, na olona marary, na vehivavy aza, ianao any anaty fiara fitaterana, dia mitsangana raha tsy misy toerana azony ipetrahana intsony, mba ipetrahany. Tsy hoe fahalalam-pomba intsony aza izany, fa fiantrana olona mihitsy.
(16). Rehefa miresaka olona iray amin'ny olon-kafa ianao, dia aza eo imasony, aza atao hitany ary aza atao reny ny iresahanao azy, indrindra fa raha mbola man-deha izy, ary raha tsy olona mpiresaka aminy akory ianao. Eny fa na dia zavatra tsara nataony aza no iresahano azy, fa tena tsy fahalalam-pomba izany.
(17). Aza mipetraka ambonin'ny olona anankiray, raha toa ka hifanandrify amin'ny lohany ny fitombenanao, na ny tongotrao.
(18). Rehefa te handefa rivotra ianao, mba tazony araka izay azo atao izy io. Raha raha tsy voatananao intsony dia manaova azafady. Rehefa tsy maintsy handefa rivotra ianao, araka izay azonao atao, dia mandehana any amin'ny efitrano fivoahana na fidiovana, na farahafaharatsiny mba mifindra efitrano.
(19). Rehefa miseho manoloana ny mpanjaka na ny fianakavian'ny mpanjaka ianao, dia ataovy ny fomba fiarahabana azy manokana fanao any amin'ny fireneny. fa tsy mitovy mihitsy akory ny fomba fiarahabana ny mpanjaka sy ny fianakavian'ny mpanjaka, sy ny fomba firesahana amin'izy ireny.
(20). Rehefa mivavaka amin'Andriamanitra ianao, indrindra amin'ny andro ôfisialy izay natokana hanaovana izany, dia miankohofa, na farafaharatsiny, mandohaleha foana raha mbola azonao atao koa. Tadidio tsara, fa tsy hoe Andriamanitra fotsiny akory Andriamanitra, fa Mpanjakan'ny Mpanjaka ihany koa. Efa nanontany tena ny amin'ny fomba firesaka amin'ny mpanjaka ve ianao? Dia hitanao amin'izany ny fomba tokony iresahana amin'Andriamanitra.
(21). Farany, rehefa miaraka amin'ilay vehivavy izay tianao ianao, na hiditra ny trano sy ny efitrano, na hiditra ny fiara, na any amin'ny efitrano fisakafoana-na izany, dia aleo aloha hiditra ilay vehivavy izay tianao, izay ianao vao miditra, ary aleo aloha hipetraka ilay vehivavy izay tianao, izay ianao vao mamonjy ny toeranao. Ka amin'izany rehetra izany, dia ianao lehilahy no manokatra ny varavarana hidirany sy manolotra azy ny seza izay tokony hipetrahany. fa tsy mandeha fotsiny amin'izao akory izy ity. Izany no ataon'ny Frantsay hoe "galanterie
Eksodosy 17
8 Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ ny Isiraely tao Refidima. 9 Dia hoy Mosesy tamin’ i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ ny havoana aho ka hitana ny tehin’ Andriamanitra etỳ an-tanako. 10 Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain’ i Mosesy taminy, ka niady tamin’ ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon’ ny havoana. 11 Ary raha nasandratr’ i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita. 12 Fa efa vizana ny tànan’ i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin’ i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin’ ny anila, ary ny iray kosa tamin’ ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin’ ny masoandro. 13 Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin’ ny lelan-tsabatra.
JESOA KRISTY : VATO FEHIZORO
Efe 2:20b ... ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;
1Pet 2:7 Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa amin’ izay tsy mino kosa "Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano no efa tonga fehizoro"
TANO NY FINOANA
Efe 6:16 ary ho fanampin’ izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ ilay ratsy.
I Tim 1:18-19a 18 Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo. 19 amin’ ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara.
Ny finoana no enti-mandresy izao tontolo izao
1Jao 5:4 Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao ; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
Raha vao milatsaka ny finoana dia resy ka mila tohanana @ vavaka sy ny tenin’Andriamanitra.
Ary raha vao mitsangana sy mijoro @ finoana dia maharesy.
TOHANANA @ VAVAKA
Jak 5:16 Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo. Ny fiàsan’ ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
Lio 18:1 Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka
Tsy ampy ny hoe mino an’Andriamanitra fotsiny nefa tsy mivavaka. Ny vavaka no mampifandray antsika amin’Andriamanitra : hitenenantsika aminy ary hihainontsika Azy
TOHANANA @ TENIN’ANDRIAMANITRA
Oha 30:5 Ny tenin’Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an’izay mialoka aminy Izy
Jao 8:47a Izay avy amin’Andriamanitra dia mihaino ny tenin’Andriamanitra
Efe 6:17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy
Heb 4:12 Fa velona sy mahery ny tenin’ Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela
Asa 4:31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny fahasahiana
1Tes 2:13 Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino koa.
1Tim 4:5 satria hamasinin’ ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana izany.
1Pet 1:23 fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lò, fa tamin’ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra.
Sabotsy hariva tamin'izay, nisy nandondona tao an-trano.
Hoy Dada: mandehana jereo izany, fa raha vao Mr Ralay dia teneno hoe tsy ato aho!
Lasa i zandry namoha ny varavarana: tsy ao hono Dadanay !
Andro vitsy lasa koa, nividy fitaovan-dakozia i Neny
Tandremo ndray nareo rankizy sao dia miteniteny an'i Dada hoe nividy an'io aho.
Zoky : Dia aiza io izany no afenina ?
Fa androany kosa, voatrerona mafy ny ankizy
Iza no namaky an'io lovia bakoly be vaovao io? ary nankaiza koa ilay taratasiko teo ambony latabatra teo.
Namaly ny ankizy: tsy hainay fa ilay sakan-dRalay iny no nivezivezy teo foana...
Hoy Dada: Hitako anie fa ao an'efitranonareo ao izao ilay taratasy e.
iza fotsiny izany no naka azy teo?
fa iza no nampianatra anareo handainga ???
Isaia 7 : 14 Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra]
Matio 1 : 23 Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy ; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isaia 7.14), izany hoe, raha adika : Amintsika Andriamanitra.
Isaia 9 : 5 Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay, Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga]
Zakaria 12 :10 Ary haidiko amin'ny taranak'i Davida sy amin'ny mponina any Jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay* nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan'ny olona ny lahimatoany.[na: ka hijery ilay]
Jaona 1 : 1-3 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. 3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
Jaona 1 : 14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika.
Jaona 10: 30-33 Izaho sy ny Ray dia iray ihany. 31 Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy. 32 Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin'ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin'ireny moa no itorahanareo vato Ahy? 33 Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.
Jaona 5 : 18 Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy.
Kolosiana 1 : 15-17 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao; fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana [seza fiandrianana], na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.
Filipiana 2 : 5-7 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona.
II Petera 1 : 1 Simona Petera, mpanompo sy Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka anay amin'ny fahamarinan'i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy.
Jaona 20 : 28-29 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
Lioka 8 : 38-39 38 Ary ny lehilahy izay efa nivoahan’ ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin’ i Jesosy izy ka nataony hoe: 39 Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon’ Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran’ ny tanàna izay zavatra lehibe nataon’ i Jesosy taminy.
Jaona 8 : 56-58 56 Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly. 57 Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an’ i Abrahama va? 58 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.
Jesoa Kristy niakatra tany an-danitra. Raha nofo ihany izy fa tsy Andriamanitra, nahoana no tsy misy olona afaka miakatra velona any an-danitra?
Asa 11 : 4-10 Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin’ ny niandohany ka nanao hoe: 5 Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin’ ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany;6 ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.7 Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano. 8 Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin’ ny vavako izay zava-padina na tsy madio. 9 Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin’ Andriamanitra aza ataonao ho fady. 10 Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany.
Apo 21:5 Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.
Mat 15:11 tsy izay miditra amin’ ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin’ ny vava, izany no mahaloto ny olona.
Mat 15:18 Fa izay mivoaka avy amin’ ny vava kosa dia avy amin’ ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.
Mat 15:20 izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin’ ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.
Mar 7:15 Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin’ ny olona no mahaloto azy.
Mar 7:18 Ary hoy Izy taminy: Hay! hianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan’ ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy,
Mar 7:20 Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ ny olona, dia izany no mahaloto azy.
Mar 7:23 izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ ny olona ka mahaloto azy. Fa avy ao anatin’ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana; izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.
Kolosiana 2: 16 Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;
17 aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’ i Kristy.
Fehiny
Voasoratra ao amin’ny 1 Korintiana 8:8-9: “ Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin’Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony. Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an’ny malemy.”
Romana 14:17 “Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.”
Hebreo 11
Ary ny finoana no fahatokiana ny amin' ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
2 Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo.
3 Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin' Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.
4 Finoana no nanateran' i Abela ho an' Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an' i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin' ny fanatitra nataony: ary amin' izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
5 Finoana no namindrana an' i Enoka tsy hiharan' ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran' Andriamanitra; fa talohan' ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan' Andriamanitra izy.
6 Fa raha tsy amin' ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an' Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
7 Finoana no nanamboaran' i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan' Andriamanitra hevitra ny amin' ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
8 Finoana no naneken' i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin' izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.
9 Finoana no nivahiniany tany amin' ny tany nolazain' ny teny fikasana, toy ny any an-tanin' olona, mitoetra an-day, mbamin' isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy;
10 fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.
11 Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan-anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.
12 Koa dia avy tamin' ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian' ny maro toy ny kintana eny amin' ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.
13 Ireo rehetra ireo dia maty tamin' ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin' ny tany izy.
14 Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.
15 Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.
16 Fa amin' izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an' ireo Izy.
17 Finoana no nanateran' i Abrahama an' isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin' ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,
18 dia ilay nilazana hoe: "Avy amin' Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao" [Gen. 21.12] .
19 Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin' izany no nandraisany azy.
20 Finoana no nitsofan' Isaka rano an' i Jakoba sy Esao ny amin' ny zavatra ho avy.
21 Finoana no nitsofan' i Jakoba rano ny zanak' i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka nivavaka izy, niankina tamin' ny lohan' ny tehiny.
22 Finoana no nilazan' i Josefa ny fialan' ny Zanak' isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin' ny taolany.
23 Finoana no nanafenan' ny ray aman-drenin' i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin' ny mpanjaka.
24 Finoana no nandavan' i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin' i Farao, rehefa lehibe izy,-
25 nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin' ny olon' Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin' ny fahotana,
26 nanao ny fanaratsiana an' i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan' i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy.
27 Finoana no nandaozany an' i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran' ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.
28 Finoana no nitandremany [Na: nanendreny] ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa.
29 Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman' ny Egyptiana, ka dia voatelina izy.
30 Finoana no nampirodana ny màndan' i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana.
31 Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin' ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin' ny fihavanana izy.
32 Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an' i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany,
33 izay nandresy fanjakana tamin' ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan' ny liona,
34 namono ny fidedadedan' afo, afaka tamin' ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin' ny ady, dia nampandositra ny miaramilan' ny firenena hafa.
35 Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
36 ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy trano-maizina koa;
37 notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin' ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr' ondry sy hoditr' osy; efa lao, ory, fadiranovana
38 (nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory) dia nirenireny tany an-efitra sy tany an' tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy.
39 Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana,
40 fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.
Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin' Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka? Romana 2:4
Koa ataovy amin'ny taranak' Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny. Ezekiela 14:6
Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy hianareo, ry taranak' Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany. Ezekiela 18:30
Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha hianareo mba ho velona. Ezekiela 18:32
Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. Matio 3:2
Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. Matio 4:17
Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara. Marka 1:15
Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; Asan'ny Apostoly 2:38
Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo, Asan'ny Apostoly 3:19
Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao. Asan'ny Apostoly 8:22
Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin'ny fitoerany, raha tsy mibebaka hianao. Apokalypsy 2:5
Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako. Apokalypsy 2:16
Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina hianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. Apokalypsy 3:3
Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha. Apokalypsy 3 : 19
Les choses sont créées pour être utilisées et les Hommes pour être aimés
Efa zanak’Andriamanitra ve ianao ?
Ry Malagasy rahalahy sy anabavy ary Ray amandreny, aoka isika tsy ho diso hevitra ny amin’ny maha-kristiana na ny maha-zanak’Andriamanitra antsika. Tsy satria ny Dadabenao na ny razanao nilaza fa kristiana dia midika ho azy fa kristiana ary zanak’Andriamanitra koa ianao. Tsia, izao no lazain’ny soratra masina : « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra. » Jaona 1 :12-13.
Ny tenantsika : kristiana # Ny tenantsika irery ihany (Jesoa Kristy any ivelany any)
Izao no voalaza ao amin’ny Apokalypsy 3:20 « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. » Ny endriky ny sakafo tian’i Jesoa Kristy ambara dia ilay finoana izay tiany iarahana amintsika : mino an’Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina. Ny hiditra ao amintsika dia tsy hoe ny vatan-tenany hohitanao mandroso ao an-tranonao, fa ianao manaiky Azy honina ao am-ponao. Fa ny tsara ho marihina koa dia tsy fomban’Andriamanitra ny manao amboletra na manao an-terisetra hiditra ao amin’izany fonao izany, manome safidy malalaka ho an’ny tsirairay izy. Nefa kosa mampahafantatra ny lalàna tsara tokony izorany mba ahitanao ny tena fiainana.
Jaona 14:6 « Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. »
Isika dia teraka tamin’ny ota, mpanota ary feno ota ao am-pontsika. Izany hoe ny tenantsika mihitsy no ota ary mila an’i Jesoa Kristy indrindra isika hanadio antsika ary hanafaka izany ota izany. Izany no antony nanolorany ny ainy hamonjy antsika ary nandatsahany ny ràny hanadiovana antsika raha mety isika. Jaona 3:16 « Fa izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny zanany lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay » Tadidio izany fa ho very ianao raha toa ka tsy mino Azy tsy mba hahita izany fiainana mandrakizay izany.
Rehefa nanontan’ny olona Petera, taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ary niakarany velona tany an-danitra, hoe : “Inona no ataonay ?” dia izao no navaliny azy ireo : Mibebaha ianareo (Asa 2:38). Taoriana kely indray dia niteny izy hoe : Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo. (Asa 3:19). Ny fibebahana dia ny fanekenao fa meloka ianao, ota ianao, ka mahatsiaro marary any anatinao any, ary te hanala izany fanamelohana izay mangeja ao anatinao izany ianao. Isika isaky ny manota dia manombo indray an’i Jesoa kristy eo ambony hazo fijaliana nitondra ny otantsika rehetra; satria Izy no efa nanolo-tena ho faty hanadiovana izany helontsika izany. Maro ny mbola tsy mahalala na tsy mahatakatra ny hevitry ny tena atao hoe fibebahana. Ny ankamaroan’ny olona dia mihevitra fa rehefa miseho amin’ny endrika ety ivelany fa nisy fiovana teo amin’ny fiainana, na matetika ny ataony, dia ampy ilazana fa niova tanteraka tokoa ny tao anatiny tao. Tsy izany no tian’ny tenin’Andriamanitra ambara amintsika. Ny fahatsiarovana ny fijaliana anaty nanombo an’Andriamanitra mihoatra noho ny fahotana fotsiny no iaingan’ny fibebahana.
Jodasy Iskariota, taorian’ny namadihany ny Tompo, dia niloa-bava hoe : Nanota aho, satria, namadika ra marina. Fa hoy ireo : Ahoanay izany? fa asa anao. (Matio 27 :4). Ny famborahany izany teny izany dia noheveriny fa hanala ny fiampangana azy sy ny fitsaran’Adriamanitra azy rahatrizay. Ny vokatry ny asany no nameno tahotra tao am-pony fa tsy naneho nenina na kely akory aza izy tamin’ny namadihany ny zanak’Andriamanitra.
Mibebaka = miaiky tongotra aman-tànana ny fahotana, ny maha nofo-ota, ny heloka mampisaraka amin’Andriamanitra ary te-hiala tanteraka amin’izany rehetra izany.
Tadidio fa tsy ampy ny fiaikena fotsiny toy ny nataon’i Jodasy fa ny fanapahan-kevitra tsy hiverina amin’izany indrindra no tena zava-dehibe.
Hoy ny Tompo ao amin’ny Jaona 3:3 « Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. » Tsy maintsy mandalo fahateraham-baovao ny olona tsirairay avy vao afaka miteny hoe zanak’Andriamanitra. Ny fahateraham-baovao no manaisotra ny maha-nofo ota antsika ary ahafahantsika mivelona amin’ny fiainana tsy hain’izao tontolo izao. Io ilay voalaza tery ambony hoe “tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra”
Hoy Paoly ao amin’ny Galatiana 2:20 « Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. »
Tia antsika Andrimanitra satria Izy mihitsy no fitiavana. Te-hanavotra anao izy, nefa tsy an-tery no iantsoany anao fa am-pitiavana (fitiavana tsy mety levona). Fantatrao moa rehefa tia ny olona iray : mahafoy ny zavatra rehetra ho an’ny malalany, eny, hatramin’ny ainy. Koa maika fa Andriamanitra izay efa niantso anao hoe zanaka ary hampandova anao ny fanjakany rehetra rahatrizay. Tsy efa natolony ve ny tenany hovonoina noho ny fitiavana antsika tsy ho very. Efa nampanantena antsika Izy ny hanome izay rehetra irintsika (« Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. » Jaona 15:7). Moa misy porofom-pitiavana lehibe mihoatra izany ve ? Efa nasehony tamin’ny olona rehetra fa afaka mitsangana ny maty, dia izay maty ao amin’i Jesoa Kristy, ary ho velona any fiainana mandrakizay feno fifaliana sy voninahitra.
Izany fanazavàna fohifohy izany no tiako hozaraina amintsika eto. Raiso Jesoa Kristy fa efa te-honina ao amin’ny toerany ao am-ponao Izy. Iza no mbola asolonao Azy ka manery ny fonao ankehitriny ? Vohay izy fa efa miantso sy miandry ny fanapahan-kevitrao. Moa tsy tsapanao ve fa tsara indrindra izany miaina mandrakizay izany. Izao tontolo tsy hampanantena anao afatsy ny zavatra hita maso sy ny helo. Nefa rehefa hody vovoka ihany ianao ary tsy hahazaka na dia iray grama aza.
Ny Tompo irery ihany no efa nampanantena anao fa « handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. » Jaona 14:2. « Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy. » Matio 24:30
Ry Malagasy ! Raiso hanjaka eo amin’ny fiainanao Jesoa Kristy.
FFPM 741
Jehovah Tomp ô !Tahio sy hatsarao Ny taninay,
Tahio ny namanay Ho tia ny teninaoDia mba hazavao Ny nosinay
Ovay ny fombanayHo foin’ny taninay Ny sampiny;
Omeo fo marina Izao rehetra izao
Ka dia mba iantrao ny nosinay
Jehovah tompo ô!
Tahio ny olonao Ny zanakay;Tahio ho zanakao, Tahio ho marinaKa dia ho taninao Ny nosinayIzay mpitondra anay
Tahio ho tia Anao Jehovah ô !Omeo sai-marina Hanao ny sitrakao,Ka ampanompoy Anao Ny nosinay
« Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany » Gen 1 :1
« Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin’ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa mbola tsy mbola nampilatsaka ranon’orana tambon’ny tany Jehovah Andriamanitra, ary tsy nisy olona hiasa ny tany; nefa nisy zavona niakatra avy tamin’ny tany ka nandena ny tany rehetra. Ary vovon-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony dia tonga olombelona izy » Gen 2 :5-7
Mifamatotra amin’ny tany ny fiainan’ny zanak’olombelona ary tsarovy ny nataon’ny Adama : rehefa tsy nankato ka nandika ny didin’Andriamanitra izy dia nozon’Andriamanitra ny tany (« Satria efa nihaino ny feon’ny vadinao hianao, ka nihinananao ny hazo izay nandrarako anao hoe : Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao » Gen 3 : 17). Izany hoe tadidio fa rehefa manota ianao dia ny tany izay onenano mihitsy no voaozona.
Araka ny II Tantara 7 : 14 “Raha ny oloko, izay nantsoina tamin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino azy any an-danitra Aho ary hamela ny helony sy hanasitrana ny taniny”. Diniho, mbola hamafisin’Andriamanitra fa, raha tsy mibebaka ny olona ka hiala amin’ny fomba ratsiny sy mitodika amin’Andriamanitra irery ihany, tsy ho sitrana ny taniny ary mbola ho betsaka foana ny fahoriany.
Marina tokoa izany. Mampalahelo ny fiovan’ny toe-tsain’ny olombelona rehefa entin’ny fandrosoana, ka mihevitra fa amin’izao vanim-potoanan’ny fanatontoloana izao ve dia mbola hiverina hiasa tany. Iza anefa no afaka hilaza fa ny akanjo, na fiara, na haingo, na solosaina, na finday, na ny zavatra materialy no mahavelona ? Ary iza no tsy mahalala fa efa maro ny olona ankehitriny no mandao ny tontolo ambanivohitra izay mba faritra kely dia kely sisa mba mikarakara ireny tany ireny. Tsy misy ary tsy hisy afa-tsy ny TANY ary ny vokatry ny TANY irery ihany no manome aina. Satria avy aminy irery no ahazoana sakafo iveloman’ny olombelona rehetra sy tontolo iainana manodidina azy. Manampy azy koa etsy andanin’izany ny rano.
Iza ary firy amintsika anefa no manasoa sy manamainty molaly ny tany ? Firy amin’ny Malagasy no manajary ny tontolo misy azy : tsy manimba, tsy mandoro, tsy manao maloto sy tsy manimbazimba ny tany onenany. Maro no fanentanana ny hikajiana ny tontolo iainana, ny hitandrovana ny zava-boary izay harena sy tombom-pahasoavana nomen’Andriamanitra ny Malagasy. Rano raraka an-damosin-gisa anefa ireny ary vao maika aza mampitombo ny faritra simba sy potika noho ny hetraketraky ny olombelona. Napetrak’Andriamanitra eto Madagasikara isika ary nomeny zava-tsoa maro tsy ananan’izao tontolo izao. Ny vahiny aza mitolagaga mahita ny hakanton’ity tanintsika ity ka maro ireo maniry te hanao zavatra eto.
Koa amiko, tsy hitako izay mahamaika antsika amin’izay fandrosoan’ny teknoljia any, raha tsy ampiasaintsika ireny hanamafisana ny fiarovantsika ny soa toavin’ity tanintsika ity. Ary ho an’ireo olona tsy manana fahafahana ampiasa izany, eny ho antsika rehetra mihitsy, rehefa mbola tsy miezaka isika hikolokolo ny tany onenantsika dia mbola hahantra eto foana isika.
Efa natolotr’Andriamanitra ho anjarantsika ny fikojakojana ny natiora sy ny tonotolo iainana manodidina antsika. Ny fahavitantsika izany no ahafahantsika ihany koa mizara amin’ny firenena maro ny vokatry ny tanintsika sy hakantony. Mifonà ho an’ity tanintsika ity ary ndao hamboly sy hiaro faran’izay mafy ny tontolo iainantsika.
Tompo ô ! Mivavaka aminao aho misolo-tena ny Malagasy rehetra mpiray tanindrazana amiko. Mifona sy mangata-pamelana amin’ireo fahotanay izay mahatezitra mafy anao ka hanehoanao izao zava-miseho eto amin’ny firenenay izao. Fantatray Tompo fa tsy mendrika tokoa izahay : mbola tia tena, mialona ny namanay, manambaka ny madinika, mirehareha amin’ny izao fiainana izao, feno fankahalana ny fonay sns. Mangataka izahay Jesosy mba diovy amin’ny rànao, vonjeo Tompo ny Malagasy rehetra, sitrano ny taninay, mibebaka eto anatrehanao izahay noho ny tsy fahatanterahanay sy ny ditranay. Maloto loatra ny aty anatinay, nefa tsy hovitanay ny hanova ny fon’olona tsirairay avy. Koa vangio Tompo ny olona rehetra satria Ianao irery ihany no afaka hanadio anay. Tsy misy olona mahajoro irery eo anatrehan’ny fiainan’izao tontolo izao, tsy misy olona ahavita ny tenany. Koa midina Jesosy ô, miandry Anao izahay ary vonona hanaiky izay zavatra rehetra tianao atao aminay. Na dia mahatsiaro fangirifiriana aza anefa izahay dia aoka ny sitraponao irery ihany no ho tanteraka fa tsy ny anay velively. Ahitsio izahay tsy hampitamby Anao ka raha tsy omenao izay tadiavinay izahay tsy ahalala hitodika aminao. Tanteraho eo amin’ny fiainanay izay hevitra tianao hitondrana anay.
Ny fototry ny olana mitranga eto amin’ny firenenay dia tsy politika, tsy toe-karena, tsy fandrosoana fa ny vola, ny lolom-po sy ny fifandrafiana. Tompo ô, mitalaho aminao aho mba avereno ao am-pon’ny Malagasy ny fitiavana, ny fitiavana ny namana, ny fitiavana ny tanindrazana. Fantatray fa izany no tena banga aty anatinay ka tsy ahafahanay manao soa amin’ny manodidina anay. Tompo ô, hahinjiro ny tànanao hanala ny asan’ny satàna eto amin’ity firenena izay nametrahanao anay ity ary tantano izay hiverina ao aminao ka hanasoa ny taninay sy ny mpiara-belona aminay. Misaotra anao aho Jesosy raha nomenao fotoana ahafahako nanandratra izay tonom-bavaka izany ary mahatoky aho fa hamaly vavaka anay Ianao. Amena.
Herinomenjanahary F.
Sal 50: 15 "Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao"
Jer 33: 3 "Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao"
Rom 10: 13 "Fa izay rehetra miantso ny Anaran'ny Tompo no hovonjena"
Iza no antsoinao?
Fampanantenana nomen’Andriamanitra izao tontolo ireo teny ireo ary mino aho fa fantantsika koa fa tsy ireo ihany akory ny fampanantenana efa natolotr’Andriamanitra ho antsika. Mbola mamerina izany indray ny Tompo ary miantso antsika Malagasy handray Azy ao am-po satria tsy misy afaka ny hamonjy ny tenany samy irery na dia iray aza rehefa tojo fahoriana. Raha izany ihany dia hirehareha ny olona fa mahavita ny tenany ary heveriny fa tsy misy tokony ilàny an’Andriamanitra. Tandremo ny fahadisoan-kevitra ary diniho tsara ny làla-marina. Ny anjely no tsy mila mpamonjy, ny devoly no tsy azo vonjena fa isika olombelona tsirairay dia mila izany mpamonjy izany. Satria efa teraka tamin’ny ota sady mpanota isika dia tsy ahazo famonjena raha tsy manaisotra ny fahotantsika Andriamanitra. Izany anefa tsy ho tanteraka raha tsy lavintsika ny tenantsika ka manolotra manontolo ho an’ny Tompo ary Izy hanjaka ao am-pontsika sy hanapaka ny fiainantsika manontolo.
Tsy efa renao ve ny zava-misy any amin’ny firenena hafa misy sakana maro sy enjehina noho ny amin’ny fitoriana ny filazantsaran’i Kristy izay mitovy tamin’ny andron-dRanavalona I teto amintsika. Efa nosaininao ve ny ady hatrehan’ireo kristiana te hahita izany fiainana atolotry ny Tompo azy izany. Ny fijalian’izy ireo isan’andro vaky te hahita ny mazava sy ny fitiavana ary te-hiaina an-kahalalahana eo ambany fahasoavan’ny Tompo. Koa nahoana isika mbola manana tombony lehibe amin’ny ahazoantsika manome voninahitra sy midera azy isan’andro no tsy mba manao izany ary indraindray aza manadino ny misaotra an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra atolony antsika.
Aoka tsy ataontsika mandalo eo ambany masontsika fotsiny izao teny izao, henoy fa feo miantso anao ao amin’ny mangina ao hanatona ny Tompo. Mino aho fa tsy vao voalohany no nisy niantso ianao ary mino koa aho fa raha misy miantso ianao eny an-dalàna rehetra eny, mitodika ihany satria misy mahafantatra anao ka te ho jerenao izy. Koa aza modian-tsy jerena fa mahafantatra anao Jesoa Kristy. Te-hihaona aminao izy (Lioka 19:5), te-handroso ao am-ponao izy (Apokalypsy 20:3), te-hanome fiainana ho anao izy (Jaona 3:16).
Tsy marina velively ny filazana fa sarotra ny manara-dia sy miaraka amin’ny Tompo satria be loatra ny fepetra takiana. Diniho tsara fa ny Tompo efa nanome safidy malalaka ho antsika tsirairay avy fa ny sarotra tena sarotra ho antsika dia ny mandà ny tenantsika, manala ny fanahiantsika, ny tsy fahatokiantsika an’Andriamanitra fa misalasala sy miriorio mandrakariva. (Lio 9:57-62)
Hamonjy anao anie Andriamanitra. Minoa Azy ary valio ny antsony sao dia izao no ora farany ka ho very ny fanahinao. Tsy misy olona na dia iray aza afaka ahalala mialoha ny andro ahafatesany ka sarobidy ny fotoana. Sady tsy tsara tokoa ve raha ety an-tany dia efa misantatra izay fiainana mamy atolotry ny Tompo izany. Mandehana amin’ny fifaliana ka zarao amin’ny malahelo sy very fanantenana izao teny izao. “Ny fandresena enti-mandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika” Herinomenjanahary F.
Herinomenjanahary, F.
« | Novambra 2024 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
Ah | At | Ta | Ar | Ak | Zo | As |
1 | 2 | |||||
3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |