antso hivavaka

Ny fampianaran'i Jesoa Kristy
2024/11/18,09:37

Lioka 5 : 33 – 39

33  Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr'i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an'ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany. 34  Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan'ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? 35  Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra* ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izany andro izany vao hifady izy.[*Na: Ny andro izay hanesorana] 36  Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin'ny vaovao dia tsy hifanaraka amin'ny tonta. 37  Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra; 38  Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao. 39  Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara*.[*Na: tsaratsara kokoa]

  1. « Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta… » (And. 36) Amin’i Jesoa, tsy afaka mifandray ny lamba vaovao sy ny lamba tonta. Entina ilazana ny fampianaran’i Jesoa izay fampianarana vaovao sy ny fampianaran’ny Fariseo. Ny fampianaran’i Jesoa no mamotika ny fampianarana taloha. Noho izany, tsy azo afangaro ireo fampianarana roa ireo.
  2. « Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao. »  (And. 38) Amin’i Jesoa, maro ny olona tia ny divay ela satria mamy sady tsara fa ny divay vaovao kosa mahery sy mafaitra kokoa. Ny fiainam-baovao nentin’i Jesoa dia tsy mifanaraka amin’ny toetran’ny olombelona na izay mahazatra azy. Noho izany, tsy maintsy manaiky mihavao ilay olona izay vao mahay mandray sy mahazaka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Siny = Olona mandray           Divay vaovao = fampianarana vaovao nentin’i Jesoa Kristy

Matio 13 : ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny tsimparifary tany an-tanimbary !
2021/11/10,10:00

Mpamafy = Jesoa Kristy (Filazantsara)

Voa afafy = Tenin’Andriamanitra (famonjena) => Fanjakan’Andriamanitra

Tany = Ny fon’olombelona

 Tranga 1: voafafy teny amoron-dàlana; dia avy ny vorona ka nandany azy (and 4)

Raha misy mandre ny tenin'ny fanjakana, fa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony. Izany no ilay nafafy teny amoron-dàlana (and 19)

 Tranga 2: voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina. Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy (and 5-6)

 Fa ilay nafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy dia izay mandre ny teny ka malaky mandray azy amin'ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ao anatiny izy, fa maharitra vetivety foana; koa raha avy izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia malaky tafintohina izy (and 20-21)

 Tranga 3: voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy (and 7)

 Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy (and 22)

 Tranga 4: voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny (and 8)

 Fa ilay nafafy teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra (and 23)

 

Izao anefa, hisy tokoa ny taom-mpamokarana ;

fa tsy maintsy ho avy koa ny fotoam-pijinjana (fararano)

 

 Mpamafy ny voa tsara = Ny zanak’olona (Jesoa Kristy)

 Ny tanimbary = Izao tontolo izao (Ny fiangonana, ny fon’olombelona…)

 Ny tsimparifary dia ny zanak'ilay ratsy ; ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly

 Fararano = Ny fahataperan'izao tontolo izao

 Mpijinja = Ny anjely

Koa satria navela niara-naniry tamin’ny vary ny tsimparifary ambara-pihavin'ny fararano ; dia rehefa tonga kosa ny fotoam-pijinjana tsy maintsy avahana izy ka dorana ["Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro" (and 30b) …hanipy azy any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify (and 42)]

Misy koa anefa amin’ireo voam-bary no tsy tena voa tsara akory fa AKOFA fotsiny ihany rehefa nandalo fikororohana. Ireo izay hita soritra ety ivelany fa miendrika voa nefa tsy izy akory. Izany hoe ohatran’ny Kristiana ihany nefa tsy mino na ny fony tsy nandray an’i Jesoa akory.

Matio 3 : 12 …eny an-tànany (Jesoa) ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloany ka hanangona ny variny ho any an-tsompitra ; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy mety maty.

Ny akofa dia ho dorana toy ny tsimparifary!

"Izay manan-tsofina (ho enti-mihaino), aoka izy hihaino" (and 9 & 43a)

Eskosodosy 23 : 20
2021/04/07,17:53

 

Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dàlana sy hitondra anao ho any amin’ ny fitoerana izay namboariko.

Romana 6:14b “fa tsy mba ambanin’ny lalàna hianareo, fa ambanin’ ny fahasoavana.”
2021/04/07,17:53

 

Ny lalàna no farafahakeliny: Io izany no tokony ho vitaina

Ohatra: adidy 5000 ar isam-bolana

Raha lalàna dia tsy maintsy aloanao io

Raha fahasoavana dia tokony mihoatra ny lalàna = satria ny fahasoavana no bebe kokoa

Raha toa ka 4000ar no omenao dia na ny lalàna aza tsy vitanao akory.

Ianao ve mampahalala an'Andriamanitra ny zanakao?
2021/03/23,10:13

 

Mat 11:27 Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy.

Misy ny fanekena izay ataon'ny Ray aman-dreny rehefa amin'ny fotoana hanaovana batisa ny zanany.

Azonao toky ve fa mahafantatra an'Andriamanitra ny zanakao? sa na ianao aza misalasala?

Iza io Andriamanitra io ?

Andriamanitra nahary izao tontolo izao, fitiavana, mpamela heloka ka namonjy ny olombelona rehetra, hanome ny fiainana mandrakizay

Mino an'Andriamanitra ary ve ny zanakao ?

 

Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara
2020/06/11,13:26

 

Any am-pianarana no sehatra azo antoka afaka hanabeazana ny olona ho olom-banona.

Ireto misy hevitra arosoko hanatsarana ny fandaharam-pianaran'ny ankizy malagasy.

 

Amin'ny fahakeliny (ambaratonga voalohany) dia tsara raha mahay ireto (5-10 taona)

Ny antony : fototry ny maha-olompirenena ; satria hatreto ny ankamaroan'ny zanaka malagasy dia mijanona eto ny fianarana vitany.           

  • olom-pirenena : andraikitra sy adidy
  • fifidianana => antony, dikany
  • hetra => antony, dikany
  • fananam-bahoaka => hajaina sy arovana
  • asam-panjakana: fanampiana ny vahoaka
  • repoblika: fitondrana (≠ fanjakana) fifandimbiasam-pahefana
  • tontolo iainana, zava-boahary, rano: fitandrovana azy
  • madagasikara: tany mamokatra (fambolena sy fiompiana)
  • fahasalamana: tazo moka, fanjarian-tsakafo

 

Rehefa manomboka ho lehibe izy (ambaratonga faharoa) dia mila ampahafantarina ny mahakasika ny fiainany (11-15 taona)  

Ny antony: ahalalàny sy ifehezany ny maha izy azy           

  • zo fototra
  • zon'olombelona
  • zon'ny mpamorona
  • fahasalamana: ady amin'ny herisetra ara-nofo, fanalan-jaza
  • ady amin'ny zava-mahadomelina
  • fahaiza-miaina: fanajana ny hafa, fahalalam-pomba
  • fitondran-tena olom-banona
  • ady amin'ny fanavakavahana
  • asa: fehezan-dalàna, fisokajiana

 

Ary ho an'ireo tanora efa nahazo ny fahalàlana fototra dia tsara omanina hiatrika ny ho aviny izy (asa)   (16-18 taona

Ny antony: hananany toe-tsaina miabo vonona hamokatra           

  • madagasikara: nosy miavaka maro harena voajanahary
  • toe-karena: ilàna azy
  • politika: demokrasia, andrim-panjakana
  • ady amin'ny kolikoly
  • matihanina: toe-tsaina vonona sy manaja asa
  • famoronana
  • fitiavan-tanindrazana
  • fanajana fandaminana fiaraha-monina
  • seha-pihariana

Ny ambaratonga ambony dia efa mandray an-tànana ny hoaviny izy ka misafidy izay làlana tiany. Fanohanana no ilainy: hevitra, vola, fomba fiasa mahomby, fitarihana... 

L’éducation est l’arme la plus puissante qu’on puisse utiliser pour changer le monde. Nelson Mandela

Ianao ve Ray aman-dreny tena mananatra ny zanakao?
2020/05/28,13:12

 

Ny zanaka tiana no anarina.

Matetika ny fandre dia :

Tsy ilaiko ianao...

Ataovy hitako anie ianao...

Raha mbola zanako koa tsy maintsy manaraka izay lazaiko

 

Samy hafa amin'ny hoe

Tiako ianao zanako raha manaraka izay teneniko hahasoa anao.

Tsy hanolo-bato mafana anao aho

Raiso ny anatra atolotro anao

Izao no mety atao amin'ny fiainana : Tsara raha... Mety raha... Tohizo... Saino...

Ny ana-draiamandreny toy ny tsipak'ombalahy, raha tsy mahavoa mahafanina, raha mahavoa mahafaty

Ianao ve manoro fahalalam-pomba ny zanakao?
2020/05/28,10:27

 

Marobe ny fahaiza-miaina/fahalalam-pomba ilaina eo amin'ny fiaraha-monina ary arakaraky ny sokajin'olona sy ny sarangany indrindra ihany koa. Eo anatrehan'ny karazan'olona manoloana anao dia misy fihetsika samihafa tokony ho voafehy sy hainao: Manoloana mpitondra fanjakana, mpitondra fiangonana, Ray aman-dreny, Mpiraitampo, Havana, Namana, Vehivavy, Ankizy.

Ireny rehetra ireny dia samy hafa ny fomba fanajana azy. Tsy hiditra @ antsipirihany eto isika satria lava dia lava raha tanisaina fa ny kely indrindra izay tokony ho fantatra no ndeha ho zaraina:

Miarahaba

Manao azafady

Misaotra

Mari-panajàna

Fihetsika maotina

Ito misy rohy izay mamelabelatra ny fahalalam-pomba

http://teny-fiainana.e-monsite.com/pages/ny-fahalalam-pomba.html

Inona avy moa no atao hoe fahalalam-pomba?

Fihetsika sy fahaiza-miaina tena tsara andrasana amin'ny olona rehetra ny fahalalam-pomba. Ary satria ny Tenin'Andriamanitra dia milaza fa

« Na inona na inona marina, na inona na inona maha-te ho tia, na inona inona madio, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany » (Filipiana 4:8)

Dia zavatra izay tokony heverin'ny kristiana tsiariray avy, ary ny olona rehetra mihitsy, ny hananana fahalalam-pomba. Mahafinaritra mantsy ny miara-miai-na amin'ny olona mahalala fomba. Ary eny fa na dia tsy mahafeno ny famaritana ny atao hoe fitiavana aza ny fahalalam-pomba, ny fifehezana azy fotsiny dia efa afaka mamoha ny fitiavana. Mampalahelo anefa fa tapitra tsy mahalala fomba ny ankamaroan'ny Malagasy ankehitriny, indrindra fa ny ankizy sy ny ta-nora. Koa dia andeha àry haverintsika holazaina eto ireo karazana fahalalam-pomba izay andrasana amin'ny olona rehetra:

(1). Rehefa mihaona amin'ny olona fantatrao ianao, indrindra fa hoe mifanerasera aminao, namanao, mifanampy aminao, mifampihinana ny manta sy ny masaka aminao, dia arahabao izy. Ny teny voalohany tokony hivoaka amin'ny vavanao dia ny fiarahabana azy. Mampalahelo ny toetran'ny tanora indrindra indrindra ankehitriny, na dia ny namany, na dia ny olona manampy azy, na dia ny olona mifampihinana ny manta sy ny masaka aminy aza, dia tsy vitany ny miarahaba azy. Raha ohatra tsy afaka miteny izany ianao fa eny am-pitan'ny arabe ohatra, na somary mifanalavitra ianareo fa tsy mifanena, dia manaova fihetsika maneho fiarahabana amin'ny tanana na amin'ny vava.

(2). Rehefa mihaona, na mifanena amin'ny olona amin'ny olona fantatrao ianao, ka ianao no zandry olona, fa izy no zokinao, dia ny zandry olona no miara-haba voalohany ny zokiolona, ny zanaka no miarahaba voalohany ny raiamandreny, ary ny mpiasa no miarahaba voalohany ny mpampiasa. Raha tsy hoe angaha zazakely mbola tsy mahay miteny ianao, na zazakely tian'ilay zokiolona amin' ny fomba manokana, koa dia izy no mandeha miarahaba anao voalo-hany.

(3). Rehefa mivahiny any an-tranon'olona ianao ka tsy nasaina, dia anjaranao vahiny no miarahaba voalohany ny tompon-trano, na iza izy na iza, eny fa na dia ny zandrinao aza. Fa tsy ianao vahiny indray no handeha hiandry ho arahabaina. Fa raha kosa nasaina ianao, dia tsy maninona raha ny tompon-trano no miarahaba anao voalohany: midika izany fa niandry dia niandry anao tokoa izy.

(4). Rehefa mivahiny any an-tranon'ny namanao ianao, na any an-tranon'ny fianakavianao, dia aza ny namanao, na ny fianakavianao ihany no arahabainao sy ataonao veloma, fa ny olona rehetra izay hitanao ao. Firifiry ny ankizy sy ny tanora no tsy mahalala izany akory, eny fa na dia ny lehibe sy ny antitra aza, fa ilaozany mivandravandra fotsiny rehefa mahita ireo olona hafa ao-trano, kanefa tsy namany

(5). Rehefa mahita olon-dehibe eny an-dalana ianao, dia aza antsointsoina izy, eny fa na dia misy ilanao azy aza. Indrindra izany hoe avy ery amin'ny 100 metatra na 200 metatra ery no misy anao. Raha tsy hoe angaha marary malemy tsy afaka miala eny ianao ka mila vonjy maika aminy, na mety tsy ho tafaresaka aminy ianao na dia efa manenjika azy aza. Izany no mahatonga anareo tanora lahy tsy misy mijery akory rehefa misiotsioka vehivavy eny an-dalam-be: satria voalohany indrindra dia tsy mahalala fomba. Vao manomboka ny fifandraisana dia efa maneho ny tsy fahalalana fomba, ny tsi-fahaizana mifandray aman'olona. Tadidio tsara fa

« Foto-kazo sy vorona io, ka izay manina no manatona ».

Ary tadidio tsara fa ny ankizy no antsoin'ny ray aman-dreny, ary ny samy ankizy no mifampian-tsoantso, fa tsy ny samy olon-dehibe manan-tsaina akory. Rankizy sy ry tanora malala, aza miantsoantso olon-dehibe eny an-dalana, indrindra indrindra aza antsointsoinao amin'ny anarany izy, fa tsy fahalalam-pom-ba, tsy fanajàna olona izany.

(6). Rehefa mifanena amin'ny olon-dehibe izay fantatrareo, na ny mpampianatra anareo eny an-dalana ianareo, rankizy sy ry tanora malala, dia aza arahabainareo amin'ny anarany izy, na amin'ny anarana izay nomeny anareo, fa tsy fahalalam-pomba, tsy fanajàna olona izany. Tsy ankizy kely sy tanora vao misondrotra toa anareo akory ny olon-dehibe sy ny mpampianatra anareo, koa dia azonareo tonotononina amin'ny anarany, toy ilay hoe mitovy sata aminareo iny izy. Tadidio tsara fa ambony noho ianareo ny olon-dehibe rehetra, indrindra fa ny mpa-mpianatra anareo, mitovy toerana amin'ny ray aman-dreny izay niteraka anareo izy, manan-kasina mitovy amin'ny an' ny ray aman-dreny izay niteraka anareo izy, koa dia fanajàna mitovy amin'izay atolotrareo ny ray aman-dreny izay niteraka anareo no asaina atolotrareo azy. Eny fa na dia misangisangy aminareo (manao « plaisanteries ») aza izy tsindraindray, dia tsy midika akory izany fa lasa mitovy laharana aminareo izy izany, koa azonareo entina amin' izay tianareo itondrana azy. Tadidio tsara fa na ny Tenin'Andriamanitra aza dia milaza hoe

« Manajà ny olona rehetra » (II Petera 3:16 ?).

(7). Rehefa mitady ny namanao, na ny olom-pantatrao any an-tranony ianao, aza avy any ivelany any ianao no tonga dia miantsoantso azy amin'ny anarany, na miantso azy amin'ny alalan'ny fisiahatsiahana, na mitoratoraka ny varavarany, na ny varavarankeliny, fa dondomyny varavarana na ny vavahady, dia arahabao na iza na iza mipoitra eo. Raha ilay olona tadiavinao moa no avy hatrany dia mipoitra eo, dia zara ho anao. Fa raha olon-kafa kosa no mipoitra eo voalohany, rehefa avy nampisehoanao izay fahalalam-pomba izay izy, dia ho mora aminao ny manontany azy raha ao izay olona tadiavinao na tsia. Ary hametraka fahatsiarovana tsara amin'ny fianakavian'ilay namanao ianao ka vao mainka hanatsara ny fifandraisanao aminy izany.

(8). Rehefa mihaona amin'ny olona izay fantatrao ianao, aza maika ny hanolotra ny tananao hiarahaba azy. Tadidio tsara, fa ny zokiolona no manolotra voalohany ny tanany amin'ny zandriolona, ary ny lehibe no manolotra voalohany ny tanany amin'ny mpiasa manampy azy, fa  tsy ity olona rehetra ity akory no andeha anolora-nao ny tananao.

(9). Rehefa mivahiny any an-tranon'olona ianao, aza manao toy ny hoe any an-tranonao, ka ianao vahiny indray no hampiafiafy ny tompon-trano. Miera mandrakari-va alohan'ny hanaovanao zavatra izay mahakasika ny tompon-trano ao, eny fa na dia heverinao ho tsy misy dikany intsony aza izany. Tsy mitovy fomba fihevitra sy fanao aminao avokoa akory ny olona, ka hankasitraka sy hanaiky mandrakariva izay hataonao. 

(10). Rehefa mandalo olona izay mipetraka ianao na mitingitingina, manaova azafady, fa aza mandika toy ny omby be fotsiny. Indrindra fa raha olon-dehibe ilay olona mipetraka.

(11). Rehefa mila ny fanampian'ny olona ianao ka tsy afaka na tsy te hiala eo amin'ny toerana izay misy anao, dia manaova aloha "Azafady" izay vao mampanao azy izay zavatra ilainao, fa tsy tonga dia mibaikobaiko fotsiny azy amin'izao toy ireny hoe mpiasanao ireny izy. Na koa antsoy amin'ny anarany izy, dia mba asio "Mba" ny zavatra izay ilainao aminy, fa tsy hoe "K'aiza e", na "Avia". 

(12). Rehefa misy fahadisona tsy nahy nataonao tamin'olona, dia mba manaova "Azafady", fa tsy mandeha jonjorombina fotsiny amin'izao ianao.

(13). Rehefa avy nivahiny tany an-tranon'olona ianao, ka handeha, dia manaova veloma izay olona notsidihinao tao, ary ataovy veloma avokoa izay olona rehetra hitanao tao, na mba anafaro ilay olona nalehanao tao mba hampitany ny "Veloma" sy ny "Mampamangy" amin'ny olona rehetra, fa tsy mandeha fotsiny amin'izao any amin'izay tianao aleha ianao. Tadidio tsara fa 

"Ny tonga tsy miarahaba hono tsy naman'ny faly, ary ny lasa tsy manao veloma naman'ny tezitra". 

(14). Rehefa hisakafo, dia tsy fahalalam-pomba raha ny zandry olona, na ny vahiny sy ny olona nasaina no maka ny sakafo natolotra voalohany, sy mihinana voalo-hany, ary tsy fahalalam-pomba ny miala ny latabatra raha mbola tsy nahalany avokoa ny olona rehetra (raha tsy hoe ho any amin'ny efitrano fivoahana ianao). Fa raha tsy maintsy hanao izany ianao, dia miera aloha, vao manao izany, fa mahasadaikatra ny olona rehetra.

(15). Rehefa mahita zokiolona na vehivavy mitondra vohoka, na mitaiza kely, na olona marary, na vehivavy aza, ianao any anaty fiara fitaterana, dia mitsangana raha tsy misy toerana azony ipetrahana intsony, mba ipetrahany.  Tsy hoe fahalalam-pomba intsony aza izany, fa fiantrana olona mihitsy. 

(16). Rehefa miresaka olona iray amin'ny olon-kafa ianao, dia aza eo imasony, aza atao hitany ary aza atao reny ny iresahanao azy, indrindra fa raha mbola man-deha izy, ary raha tsy olona mpiresaka aminy akory ianao. Eny fa na dia zavatra tsara nataony aza no iresahano azy, fa tena tsy fahalalam-pomba izany.

(17). Aza mipetraka ambonin'ny olona anankiray, raha toa ka hifanandrify amin'ny lohany ny fitombenanao, na ny tongotrao.

(18). Rehefa te handefa rivotra ianao, mba tazony araka izay azo atao izy io. Raha raha tsy voatananao intsony dia manaova azafady. Rehefa tsy maintsy handefa rivotra ianao, araka izay azonao atao, dia mandehana any amin'ny efitrano fivoahana na fidiovana, na farahafaharatsiny mba mifindra efitrano. 

(19). Rehefa miseho manoloana ny mpanjaka na ny fianakavian'ny mpanjaka ianao, dia ataovy ny fomba fiarahabana azy manokana fanao any amin'ny fireneny. fa tsy mitovy mihitsy akory ny fomba fiarahabana ny mpanjaka sy ny fianakavian'ny mpanjaka, sy ny fomba firesahana amin'izy ireny. 

(20). Rehefa mivavaka amin'Andriamanitra ianao, indrindra amin'ny andro ôfisialy izay natokana hanaovana izany, dia miankohofa, na farafaharatsiny, mandohaleha foana raha mbola azonao atao koa. Tadidio tsara, fa tsy hoe Andriamanitra fotsiny akory Andriamanitra, fa Mpanjakan'ny Mpanjaka ihany koa. Efa nanontany tena ny amin'ny fomba firesaka amin'ny mpanjaka ve ianao? Dia hitanao amin'izany ny fomba tokony iresahana amin'Andriamanitra.

(21). Farany, rehefa miaraka amin'ilay vehivavy izay tianao ianao, na hiditra ny trano sy ny efitrano, na hiditra ny fiara, na any amin'ny efitrano fisakafoana-na izany, dia aleo aloha hiditra ilay vehivavy izay tianao, izay ianao vao miditra, ary aleo aloha hipetraka ilay vehivavy izay tianao, izay ianao vao mamonjy ny toeranao. Ka amin'izany rehetra izany, dia ianao lehilahy no manokatra ny varavarana hidirany sy manolotra azy ny seza izay tokony hipetrahany. fa tsy mandeha fotsiny amin'izao akory izy ity. Izany no ataon'ny Frantsay hoe "galanterie

Tano ny finoana ho entina mandresy
2020/05/12,11:02

Eksodosy 17

8 Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ ny Isiraely tao Refidima. 9 Dia hoy Mosesy tamin’ i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ ny havoana aho ka hitana ny tehin’ Andriamanitra etỳ an-tanako. 10 Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain’ i Mosesy taminy, ka niady tamin’ ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon’ ny havoana. 11 Ary raha nasandratr’ i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita. 12 Fa efa vizana ny tànan’ i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin’ i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin’ ny anila, ary ny iray kosa tamin’ ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin’ ny masoandro. 13 Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin’ ny lelan-tsabatra.

 

JESOA KRISTY : VATO FEHIZORO

 Efe 2:20b ... ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;

 1Pet 2:7 Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa amin’ izay tsy mino kosa "Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano no efa tonga fehizoro"

 

TANO NY FINOANA

 Efe 6:16 ary ho fanampin’ izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan’ ilay ratsy.

I Tim 1:18-19a 18 Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo. 19 amin’ ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara.

Ny finoana no enti-mandresy izao tontolo izao

1Jao 5:4 Fa  izay  rehetra  naterak’Andriamanitra  dia  maharesy  izao  tontolo  izao ; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.

Raha vao milatsaka ny finoana dia resy ka mila tohanana @ vavaka sy ny tenin’Andriamanitra.

Ary raha vao mitsangana sy mijoro @ finoana dia maharesy.

 

TOHANANA @ VAVAKA

Jak 5:16 Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo. Ny fiàsan’ ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.

Lio 18:1 Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka

Tsy ampy ny hoe mino an’Andriamanitra fotsiny nefa tsy mivavaka. Ny vavaka no mampifandray antsika amin’Andriamanitra : hitenenantsika aminy ary hihainontsika Azy

 

TOHANANA @ TENIN’ANDRIAMANITRA

Oha 30:5 Ny tenin’Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an’izay mialoka aminy Izy

Jao 8:47a Izay avy amin’Andriamanitra dia mihaino ny tenin’Andriamanitra

Efe 6:17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy

Heb 4:12 Fa velona sy mahery ny tenin’ Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela

Asa 4:31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ ny fahasahiana

1Tes 2:13 Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino koa.

1Tim 4:5 satria hamasinin’ ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana izany.

1Pet 1:23 fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lò, fa tamin’ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra.

Ianao ve mampianatra ny zanakao handainga?
2020/05/07,16:43

 

Sabotsy hariva tamin'izay, nisy nandondona tao an-trano.

Hoy Dada: mandehana jereo izany, fa raha vao Mr Ralay dia teneno hoe tsy ato aho!

Lasa i zandry namoha ny varavarana: tsy ao hono Dadanay ! Laughing

 

Andro vitsy lasa koa, nividy fitaovan-dakozia i Neny

Tandremo ndray nareo rankizy sao dia miteniteny an'i Dada hoe nividy an'io aho. Sealed

Zoky : Dia aiza io izany no afenina ?

 

Fa androany kosa, voatrerona mafy ny ankizy

Iza no namaky an'io lovia bakoly be vaovao io? ary nankaiza koa ilay taratasiko teo ambony latabatra teo.

Namaly ny ankizy: tsy hainay fa ilay sakan-dRalay iny no nivezivezy teo foana... Surprised

Hoy Dada: Hitako anie fa ao an'efitranonareo ao izao ilay taratasy e.

iza fotsiny izany no naka azy teo?

fa iza no nampianatra anareo handainga ???

 

 

 

 

JESOA KRISTY dia ANDRIAMANITRA
2019/09/05,11:57

Isaia 7 : 14 Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra]

Matio 1 : 23 Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy ; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isaia 7.14), izany hoe, raha adika : Amintsika Andriamanitra.

Isaia 9 : 5 Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay, Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga]

Zakaria 12 :10 Ary haidiko amin'ny taranak'i Davida sy amin'ny mponina any Jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay* nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan'ny olona ny lahimatoany.[na: ka hijery ilay]

Jaona 1 : 1-3 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. 3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.

Jaona 1 : 14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika.

Jaona 10: 30-33 Izaho sy ny Ray dia iray ihany. 31 Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy. 32 Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin'ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin'ireny moa no itorahanareo vato Ahy? 33 Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.

Jaona 5 : 18 Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin'ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra Izy.

Jaona 14 : 7-9 Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin’ izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy.8 Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?10 Tsy mino va hianao fa Izaho ao amin’ ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.

Kolosiana 1 : 15-17 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao; fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana [seza fiandrianana], na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra.

Filipiana 2 : 5-7 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa, Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona.

II Petera 1 : 1 Simona Petera, mpanompo sy Apostolin'i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka anay amin'ny fahamarinan'i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy.

Jaona 20 : 28-29 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.

Lioka 8 : 38-39 38 Ary ny lehilahy izay efa nivoahan’ ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin’ i Jesosy izy ka nataony hoe: 39 Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon’ Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran’ ny tanàna izay zavatra lehibe nataon’ i Jesosy taminy.

Jaona 8 : 56-58  56 Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko; ary nahita izy ka faly. 57 Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory Hianao, ka dia efa nahita an’ i Abrahama va? 58 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.

Jesoa Kristy niakatra tany an-danitra. Raha nofo ihany izy fa tsy Andriamanitra, nahoana no tsy misy olona afaka miakatra velona any an-danitra?

Biby "tsy misy" fady
2019/08/13,12:41

Asa 11 : 4-10 Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin’ ny niandohany ka nanao hoe: 5 Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin’ ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany;6 ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.7 Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano. 8 Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin’ ny vavako izay zava-padina na tsy madio. 9 Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin’ Andriamanitra aza ataonao ho fady. 10 Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany.

 

Apo 21:5 Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.

 

Mat 15:11 tsy izay miditra amin’ ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin’ ny vava, izany no mahaloto ny olona.

Mat 15:18 Fa izay mivoaka avy amin’ ny vava kosa dia avy amin’ ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.

Mat 15:20 izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin’ ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.

Mar 7:15 Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin’ ny olona no mahaloto azy.

Mar 7:18 Ary hoy Izy taminy: Hay! hianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan’ ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy,

Mar 7:20 Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ ny olona, dia izany no mahaloto azy.

Mar 7:23 izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ ny olona ka mahaloto azy. Fa avy ao anatin’ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana; izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.

 

Kolosiana 2: 16 Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;

17 aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’ i Kristy.

 

Fehiny

Voasoratra ao amin’ny 1 Korintiana 8:8-9: “ Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin’Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony. Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an’ny malemy.”

 

Romana 14:17 “Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.”

 

Ny Finoana...
2015/04/29,06:28

Hebreo 11

Ary ny finoana no fahatokiana ny amin' ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.

2 Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo.

3 Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin' Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.

4 Finoana no nanateran' i Abela ho an' Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an' i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin' ny fanatitra nataony: ary amin' izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.

5 Finoana no namindrana an' i Enoka tsy hiharan' ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran' Andriamanitra; fa talohan' ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan' Andriamanitra izy.

6 Fa raha tsy amin' ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an' Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.

7 Finoana no nanamboaran' i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan' Andriamanitra hevitra ny amin' ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.

8 Finoana no naneken' i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin' izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.

9 Finoana no nivahiniany tany amin' ny tany nolazain' ny teny fikasana, toy ny any an-tanin' olona, mitoetra an-day, mbamin' isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy;

10 fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.

11 Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan-anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.

12 Koa dia avy tamin' ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian' ny maro toy ny kintana eny amin' ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.

13 Ireo rehetra ireo dia maty tamin' ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin' ny tany izy.

14 Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.

15 Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.

16 Fa amin' izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an' ireo Izy.

17 Finoana no nanateran' i Abrahama an' isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin' ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,

18 dia ilay nilazana hoe: "Avy amin' Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao" [Gen. 21.12] .

19 Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin' izany no nandraisany azy.

20 Finoana no nitsofan' Isaka rano an' i Jakoba sy Esao ny amin' ny zavatra ho avy.

21 Finoana no nitsofan' i Jakoba rano ny zanak' i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka nivavaka izy, niankina tamin' ny lohan' ny tehiny.

22 Finoana no nilazan' i Josefa ny fialan' ny Zanak' isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin' ny taolany.

23 Finoana no nanafenan' ny ray aman-drenin' i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin' ny mpanjaka.

24 Finoana no nandavan' i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin' i Farao, rehefa lehibe izy,-

25 nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin' ny olon' Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin' ny fahotana,

26 nanao ny fanaratsiana an' i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan' i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy.

27 Finoana no nandaozany an' i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran' ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.

28 Finoana no nitandremany [Na: nanendreny] ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa.

29 Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman' ny Egyptiana, ka dia voatelina izy.

30 Finoana no nampirodana ny màndan' i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana.

31 Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin' ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin' ny fihavanana izy.

32 Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an' i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany,

33 izay nandresy fanjakana tamin' ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan' ny liona,

34 namono ny fidedadedan' afo, afaka tamin' ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin' ny ady, dia nampandositra ny miaramilan' ny firenena hafa.

35 Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;

36 ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy trano-maizina koa;

37 notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin' ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr' ondry sy hoditr' osy; efa lao, ory, fadiranovana

38 (nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory) dia nirenireny tany an-efitra sy tany an' tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy.

39 Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana,

40 fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.

Andinin-tsoratra masina mitaona ny olona hibebaka.
2015/03/06,07:40

Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin' Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka? Romana 2:4

Koa ataovy amin'ny taranak' Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mibebaha, dia miambohoa ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, miambohoa ireny. Ezekiela 14:6

Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy hianareo, ry taranak' Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany. Ezekiela 18:30

Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha hianareo mba ho velona. Ezekiela 18:32

Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. Matio 3:2

Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. Matio 4:17

Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara. Marka 1:15

Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; Asan'ny Apostoly 2:38

Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo, Asan'ny Apostoly 3:19

Koa mibebaha amin'izao haratsianao izao, ka mangataha amin'ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin'ny fonao. Asan'ny Apostoly 8:22

Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin'ny fitoerany, raha tsy mibebaka hianao. Apokalypsy 2:5

Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako. Apokalypsy 2:16

Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina hianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. Apokalypsy 3:3

Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha. Apokalypsy 3 : 19

Ny Mazava...
2009/07/25,12:42
Ny mazava…

« Misia mazava ; dia nisy mazava. » Genesisy 1:3


« Izay milaza fa ao amin'ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin'ny maizina ihany. Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin'ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy. Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin'ny maizina ary mandeha ao amin'ny maizina ka tsy mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony. » I Jaona 2 : 9-11  


 « Ary izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy. Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra. Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato anatintsika. » I Jaona 1 :5-10


 « 4.3 Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin'izay ho very izany,
4.4 izay nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino, mba tsy hiposahan'ny fahazavan'ny filazantsaran'ny voninahitr'i Kristy, Izay endrik'Andriamanitra.
4.5 Fa tsy ny tenanay no torinay, fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay dia mpanomponareo noho ny amin'i Jesosy.
4.6 Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin'ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin' ny fahazavan'ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy. » II Korintiana 4 :3-6


 « 3.19 Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.
3.20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.
3.21 Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany. » Jaona 3 :19-21


 « Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina. » Jaona 8:12
 « Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. Ary ny mazava, dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy. » Jaona 1 :4-5
« Raha amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavan'izao tontolo izao. » Jaona 9 :5
«  Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy. » Jaona 12 :46


Araka ny tenin’i Isaia mpaminany hoe « Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny fahazavana » (Isaia 8 :23; 9 :1).
Ary araka ny iraka nampanaovin’Andriamanitra an’i Jaona.
 « Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany. Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy. Tao ny tena Mazava* izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao. » Jaona 1 :6-9


Fantatsika tsara fa natao ho ampitaina ny fanilo na ny fahazavana ary vao maika mitombo ny mazava rehefa betsaka koa ny mitazona azy.
 « fa izao no nandidian'ny Tompo anay: "Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao" (Isa.49.6). » Asan’ny Apostoly 13 :47
 « fa Kristy tsy maintsy nijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa. » Asan’ny Apostoly 26 :23


Hoy ny Tompo : « Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. » Matio 5 :14-16


 “Noho ny halehiben'ny famindrampon'Andriamanitsika, izay hiposahan'ny mazava avy any amin'ny avo ho antsika. Hamirapiratra amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana, hanitsy ny diantsika ho amin'ny làlam-piadanana.” Lioka 1 :78-79


 “Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambanin'ny farafara; fa ataony eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava.” Lioka 8 :16


 “Ny masonao no jiron'ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao. Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao. Ary amin'izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao.” Lioka 11 :34-36


 “Dia toy izany koa hianareo: raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, hatao ahoana no fahafantatra izay lazainareo? Fa raha tsy izany, dia hiteny amin'ny rivotra hianareo.” I Korintiana 14 :9


 “1.9 Ary noho izany izahay koa hatramin'ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony hianareo amin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin'ny Fanahy,
1.10 mba handehananareo mendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra sady mitombo amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra,
1.11 ary ampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny herin'ny voninahiny ho amin'ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin'ny hafaliana,
1.12 ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava,
1.13 sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany,
1.14 Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.” Kolosiana 1 :9-14


 “12.35 Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran'ny mazava aminareo. Mandehana raha mbola manana ny mazava hianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin'ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.
12.36 Raha mbola manana ny mazava hianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava.” Jaona 12 :35-36


Andramo rehefa iny ianao anaty efitra maizina iny, areheto ny jiro dia hohitanao fa : “Rehefa tonga ny mazava dia tsy maintsy miala ny aizina na tiany na tsy tiany.


Koa aoka hazava eo imason'ny olona mandrakariva ianareo.


 “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan'ny mazava sy ny maizina?” II Korintiana 6 :14


 “Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava.” Romana 13 :12


 “5.8 Fa maizina hianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava  
5.9 (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),
5.10 mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo.
5.11 Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
5.12 Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
5.13 Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon'ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.
5.14 Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza hianao izay matory, ary mitsangàna amin'ny maty, dia hampahazava anao Kristy.” Efesiana 5 :8-14



Ny fitiavana araka ny soratra masina…
2009/07/22,09:09
Ny fitiavana araka ny soratra masina…

 Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.” I Jaona 4:8


Raha dinihina, io fehezan-teny io fotsiny dia efa manambara mazava tsara ny atao hoe fitiavana. Raha manam-pitiavana ianao dia manana an’Andriamanitra. Andriamanitra tenany mihitsy no fitiavana, ka raha mitoetra ao am-ponao Izy dia ao anatinao koa izany ny tena fitiavana. Raha tsy manana an’Andriamanitra moa ianao dia mbola tsy manam-pitiavana araka izany.

 Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.” I Jaona 4:16



Marihina tsara aloha izany fa tsy fihetseham-po velively araka ny iheverantsika azy akory ny atao hoe fitiavana. Matetika tokoa mantsy isika dia mihevitra fa atao hoe fitiavana ny fihetseham-po amin’ny olona iray ohatra. Tsy diso avy hatrany akory izany fa raha ny marina dia tsy mazava sy tsy ampy. Mety misy ny faniriana sy ny fihetseham-po tokoa fa tsy feno ireo ilazana fa tianao tanteraka ilay olona na koa manam-pitiavana azy ianao. Ny mitranga aza dia filàna no mameno ny fontsika, filàna ho an’ny tenantsika.

 Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay” Jaona 3:16

 Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” Jaona 15:13



Ny fitiavana izany dia miteraka asa na fanoloran-tena no marimarina kokoa. Tsy manao ny tenany ho ambony fa manome na dia ny ainy aza hahasoa ny hafa. Raha tia olona izany ianao, moa efa mba nieritreritra izay hahasoa azy ve? Sao dia sanatria miandry zavatra avy any aminy indray. Tandremo fa tsy fitiavana izany. Io ilay fitenintsika hoe “tia tena” amin’ny heviny ratsy. Ny fitiavana ny hafa dia fanekena ataonao hanasoavanao azy, ary ahatsapany fa misy zavatra tsara atolotrao azy avy any am-ponao any. Tsy an-tery koa anefa fa safidinao hizaranao ny fiainana irinao hiarahana aminy ohatra. Raha tsy tia azy akory, tahaka ny itiavanao an’Andriamanitra, ianao dia aza mamita-tena na mamitaka ny hafa fa tsy hahita fahasambarana ao anatin’izany na oviana na oviana ianareo.

 Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany, fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” I Jaona 2:15-17

Andriamanitra raha nilaza fa tia antsika, tsy nijanona ho teny fotsiny izany fa naneho izany tamin’ny fahasoavana Izy, tamin’ny fitantanany mahagaga ny fiainantsika ary indrindra tamin’ny nanafahany antsika ho afaka amin’ny fahotana; ka nanolorany an’i Jesoa kristy zanany no faty ary nandatsaka ny rany hanadiovany antsika. Jereo fa izany no fitiavan’Andriamanitra tsy mamela antsika ho faty amin’ny ratsy fa mbola tiany hovonjena hatramin’ny farany isika ary homeny fiainana tsara indrindra izay efa nomaniny ho antsika.Endrey! Manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Azy izy.” I Jaona 3:1

Ny fitiavana tsy mila tambiny ary tsy manisy ratsy ny tiany.Raha manam-bady ianao, nahoana moa no manaratsy na mameno fankahalana am-po amin’ny vadinao? Izy aza tenanao ihany. Raha milaza ho tia an’Andriamanitra ianao (na manana an’Andriamanitra) nefa ianao mankahala ny Ray aman-dreninao na ny rahalahinao, moa azo lazaina ho manam-pitiavana ve ianao?Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny. Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin'ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika.” I Jaona 3:10-11

Ny fitiavana koa anefa tsy fanompoana:Tadidinao ny tantaran’ilay zanaka adala. Nalahelo tokoa ny zokiny satria teo anatrehan-drainy foana nanao izay rehetra nandidian’ny rainy azy nefa tsy mba nahazo na dia ondry iray aza hifaliany niaraka tamin’ny namany. Nataony ho fanompoana ny nanekeny hitoetra teo amin’ny rainy ary niandry sitraka sy valiny izy tamin’izany, izay no heveriny ho fitiavana mihoatra ny fitiavan’ny rainy nahita ilay zandriny.

 Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy (Jesoa Kristy) no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy. Ary izay rehetra manam-pananana amin'izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran'ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatiny? Anaka, aoka tsy ho tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina.” I Jaona 3:15-18

Moa tsy fanirian’Andriamanitra tokoa ve ny hoe mifankatia avokoa ny olona rehetra eto ambonin’ny tany.

Ary efa nataony didy mihitsy aza moa izany satria raha araka ny filazantsara dia tsy misy didy hafa intsony afatsy ny hoe : “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” Jaona 13:34-35. Ny olona mifankatia ihany no afaka miteny hoe mpianatry ny Tompo.

Tany amin’ny testamenta taloha, fony mbola lalàn’i Mosesy, dia ny didy folo no nasain’Andriamanitra notandreman’ny olona. Saingy niova izany taorian’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy ary nofeheziny tamin’ny hoe : "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra" ( Deo.6.5); ary "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao"( Lev.19.18). Lioka 10:27



I KORINTIANA 13


 
13.1 Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.

13.2 Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona aho.

13.3 Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.

13.4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,

13.5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo,

13.6 tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa,

13.7 mandefitra (*) ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.

13.8 Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.

13.9 Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika;

13.10 fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.

13.11 Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.

13.12 Fa ankehitriny isika mizaha ao amin'ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.

13.13 Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.

N’inona heverintsika atao arak’ireo zavatra voalaza rehetra ireo, rehefa tsy vokatry ny fitiavana (Andriamanitra) fa fireharehana na fitadiavana sitraka na tombontsoan’ny tena dia tsy misy dikany na dia kely akory aza.

 Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.” I Korintiana 16:14 
Les choses sont créées pour être utilisées...
2009/07/18,08:18

Les choses sont créées pour être utilisées et les Hommes pour être aimés 


...Alors qu'un homme nettoyait sa nouvelle voiture, son fils de 4 ans ramassa un caillou et fit des graffitis sur le côté de sa voiture. Dans un accès de colère, sans même regarder ce que représentaient les graffitis, l'homme prit la main de son fils et la frappa plusieurs fois; sans se rendre compte qu'il frappait avec une clé à molette.

A l'hôpital, le garçon perdit tous ses doigts, à cause des multiples fractures dont ils étaient victimes. Quand le garçon vit son père tout triste, (à cause de sa blessure), il demanda "Papa, quand est-ce-que mes doigts vont repousser?

L’homme fût très secoué par la question et resta sans voix. Il repartît vers sa voiture et la cogna plusieurs fois. Dépité par ses propres actions, il s'assît devant la voiture. Alors il vît ce que son fils avait gribouillé sur sa voiture et lût: "JE T'AIME PAPA"

Le jour suivant, l'homme se suicida.

La colère et l'amour n'ont pas de limites. Choisis toujours le dernier pour avoir une belle et meilleure vie.

Mais le problème dans le monde d'aujourd'hui est que, les Hommes sont utilisés et les choses sont aimées.

Durant cette année gardons toujours ceci à l'esprit: les choses sont créées pour être utilisées et mais les Hommes sont créés pour être aimés.

Fais attention à tes pensées, elles deviennent souvent des paroles.

Fais attention à tes paroles, elles deviennent souvent des actions. 

Fais attention à tes actions, elles deviennent des habitudes.

Fais attention à tes habitudes, elles deviennent souvent ton caractère.

Fais attention à ton caractère, il détermine souvent ton destin.

Je suis heureux d'avoir reçu ce message. La volonté de Dieu ne t'amènera jamais là où sa grâce ne peut te protéger.

Garde la Foi et demeure dans l'action de grâce. Bon courage, Salutations.

Source : Ami(e)
Efa zanak'Andriamanitra ve ianao...?
2009/07/10,12:51

Efa zanak’Andriamanitra ve ianao ?
 

Ry Malagasy rahalahy sy anabavy ary Ray amandreny, aoka isika tsy ho diso hevitra ny amin’ny maha-kristiana na ny maha-zanak’Andriamanitra antsika. Tsy satria ny Dadabenao na ny razanao nilaza fa kristiana dia midika ho azy fa kristiana ary zanak’Andriamanitra koa ianao. Tsia, izao no lazain’ny soratra masina : « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra. » Jaona 1 :12-13.


Tsy afaka hiteny velively isika hoe zanak’Andriamanitra raha tsy efa nandray an’i Jesoa Kristy ao anatintsika ; nandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy antsika. Izany indrindra no hevitry ny teny hoe « mino ». Ara-bakiteny, amin’ny teny malagasy, ny mino dia midika hoe misotro (Mino rano : fiteny avy any atsimo) na koa hoe mihinana (na fampinomana). Mampiditra ao am-bava na ao anaty no hevitr’izany; ary izany indrindra no tian’Andriamanitra ambara amintsika ny amin’ny atao hoe finoana. Raha mino an’Andriamanitra ianao dia mandray Azy ary mampiditra Azy ihany koa ao am-ponao. Marihiko fa tsy hoe “mametraka eo ambony loha, na mametraka Azy an-toeran-kafa” fa ao am-pontsika.
Kristiana = Kristy ao anatinao   



Ny tenantsika : kristiana       #        Ny tenantsika irery ihany (Jesoa Kristy any ivelany any)


Izao no voalaza ao amin’ny Apokalypsy 3:20 « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. » Ny endriky ny sakafo tian’i Jesoa Kristy ambara dia ilay finoana izay tiany iarahana amintsika : mino an’Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina. Ny hiditra ao amintsika dia tsy hoe ny vatan-tenany hohitanao mandroso ao an-tranonao, fa ianao manaiky Azy honina ao am-ponao. Fa ny tsara ho marihina koa dia tsy fomban’Andriamanitra ny manao amboletra na manao an-terisetra hiditra ao amin’izany fonao izany, manome safidy malalaka ho an’ny tsirairay izy. Nefa kosa mampahafantatra ny lalàna tsara tokony izorany mba ahitanao ny tena fiainana.

Jaona 14:6 « Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. »


Isika dia teraka tamin’ny ota, mpanota ary feno ota ao am-pontsika. Izany hoe ny tenantsika mihitsy no ota ary mila an’i Jesoa Kristy indrindra isika hanadio antsika ary hanafaka izany ota izany. Izany no antony nanolorany ny ainy hamonjy antsika ary nandatsahany ny ràny hanadiovana antsika raha mety isika. Jaona 3:16 « Fa izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny zanany lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay » Tadidio izany fa ho very ianao raha toa ka tsy mino Azy tsy mba hahita izany fiainana mandrakizay izany.


Rehefa nanontan’ny olona Petera, taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ary niakarany velona tany an-danitra, hoe : “Inona no ataonay ?” dia izao no navaliny azy ireo : Mibebaha ianareo (Asa 2:38). Taoriana kely indray dia niteny izy hoe : Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo. (Asa 3:19). Ny fibebahana dia ny fanekenao fa meloka ianao, ota ianao, ka mahatsiaro marary any anatinao any, ary te hanala izany fanamelohana izay mangeja ao anatinao izany ianao. Isika isaky ny manota dia manombo indray an’i Jesoa kristy eo ambony hazo fijaliana nitondra ny otantsika rehetra; satria Izy no efa nanolo-tena ho faty hanadiovana izany helontsika izany. Maro ny mbola tsy mahalala na tsy mahatakatra ny hevitry ny tena atao hoe fibebahana. Ny ankamaroan’ny olona dia mihevitra fa rehefa miseho amin’ny endrika ety ivelany fa nisy fiovana teo amin’ny fiainana, na matetika ny ataony, dia ampy ilazana fa niova tanteraka tokoa ny tao anatiny tao. Tsy izany no tian’ny tenin’Andriamanitra ambara amintsika. Ny fahatsiarovana ny fijaliana anaty nanombo an’Andriamanitra mihoatra noho ny fahotana fotsiny no iaingan’ny fibebahana.

Jodasy Iskariota, taorian’ny namadihany ny Tompo, dia niloa-bava hoe : Nanota aho, satria, namadika ra marina. Fa hoy ireo : Ahoanay izany? fa asa anao. (Matio 27 :4). Ny famborahany izany teny izany dia noheveriny fa hanala ny fiampangana azy sy ny fitsaran’Adriamanitra azy rahatrizay. Ny vokatry ny asany no nameno tahotra tao am-pony fa tsy naneho nenina na kely akory aza izy tamin’ny namadihany ny zanak’Andriamanitra.
Mibebaka = miaiky tongotra aman-tànana ny fahotana, ny maha nofo-ota, ny heloka mampisaraka amin’Andriamanitra ary te-hiala tanteraka amin’izany rehetra izany.
Tadidio fa tsy ampy ny fiaikena fotsiny toy ny nataon’i Jodasy fa ny fanapahan-kevitra tsy hiverina amin’izany indrindra no tena zava-dehibe.


Hoy ny Tompo ao amin’ny Jaona 3:3 «  Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra.  » Tsy maintsy mandalo fahateraham-baovao ny olona tsirairay avy vao afaka miteny hoe zanak’Andriamanitra. Ny fahateraham-baovao no manaisotra ny maha-nofo ota antsika ary ahafahantsika mivelona amin’ny fiainana tsy hain’izao tontolo izao. Io ilay voalaza tery ambony hoe “tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra”

Hoy Paoly ao amin’ny Galatiana 2:20 «  Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.  »

Tia antsika Andrimanitra satria Izy mihitsy no fitiavana. Te-hanavotra anao izy, nefa tsy an-tery no iantsoany anao fa am-pitiavana (fitiavana tsy mety levona). Fantatrao moa rehefa tia ny olona iray : mahafoy ny zavatra rehetra ho an’ny malalany, eny, hatramin’ny ainy. Koa maika fa Andriamanitra izay efa niantso anao hoe zanaka ary hampandova anao ny fanjakany rehetra rahatrizay. Tsy efa natolony ve ny tenany hovonoina noho ny fitiavana antsika tsy ho very. Efa nampanantena antsika Izy ny hanome izay rehetra irintsika («  Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.  » Jaona 15:7). Moa misy porofom-pitiavana lehibe mihoatra izany ve ? Efa nasehony tamin’ny olona rehetra fa afaka mitsangana ny maty, dia izay maty ao amin’i Jesoa Kristy, ary ho velona any fiainana mandrakizay feno fifaliana sy voninahitra.


Izany fanazavàna fohifohy izany no tiako hozaraina amintsika eto. Raiso Jesoa Kristy fa efa te-honina ao amin’ny toerany ao am-ponao Izy. Iza no mbola asolonao Azy ka manery ny fonao ankehitriny ? Vohay izy fa efa miantso sy miandry ny fanapahan-kevitrao. Moa tsy tsapanao ve fa tsara indrindra izany miaina mandrakizay izany. Izao tontolo tsy hampanantena anao afatsy ny zavatra hita maso sy ny helo. Nefa rehefa hody vovoka ihany ianao ary tsy hahazaka na dia iray grama aza.

Ny Tompo irery ihany no efa nampanantena anao fa «  handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.  » Jaona 14:2. «  Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy.  » Matio 24:30


Ry Malagasy ! Raiso hanjaka eo amin’ny fiainanao Jesoa Kristy.



Valin'ny fanontaniana ho an'ny Kristiana...
2009/06/19,15:25
1°/  Avant la création de l’univers (terre et cieux, galaxies….), Le Christ et le Saint-Esprit avaient ils une existence avec Dieu, ont-ils participé à la création de l’univers ?Le Saint-Esprit, oui, car il est de la trinité, c'est-à-dire Dieu Lui-même.Le Christ, pas encore. Il n’était, avant, que de la parole auprès de Dieu, et la Parole était Dieu (Jean 1 :1-3). Certes, Christ était en Dieu mais Il n’était pas venu dans ce monde que lorsque Dieu a décidé, avec  compassion, de sauver le monde car les hommes deviennent corrompus et vivent dans les péchés.

2°/  Pourquoi il n'y aucun passage ou Jésus dit "je suis votre Dieu adorez moi", alors que c'est le dogme principal chez les chrétiens aujourd'hui ? (et ne dites pas qu'il avait peur des juifs).
On n’adore pas Jésus (en tant que humain). Seul Dieu qu’on adorera. Pour comprendre il faut toujours revenir à la trinité : Dieu est unique mais 3 personnes : Père, fils et Saint esprit. Le fils est venu dans ce monde pour faire une mission de sauver les hommes. Jésus est le chemin vers Dieu (Jean 14 :6). Mais on prie au nom de Jésus parce qu’il est en même temps corps de Dieu. Et c’est simple si on n’arrive pas à comprendre car on a besoin du Saint esprit pour nous expliquer tout ça. C’est pas en fonction de votre niveau d’étude, c’est spirituel, et il faut demander au Saint esprit de venir en nous pour guider à la raisonnement et à l’acceptation.

3°/  Pourquoi les autres nations (ceux qui sont venu avant le christ et dont les prophètes) ne croyaient pas à la trinité, seraient il envoyé en enfer pour cela?
Je pense que ceci dépend du contexte de l’histoire dans la Bible. Avant la naissance de Jésus, il y avait des alliances que Dieu a fait avec les hommes mais les hommes ont refusés ou piétinés. Dieu a donné une nouvelle alliance qu’il a fait une bonne fois pour toute (Jésus Christ) et Il a mieux expliqué sa volonté pour les hommes. Les hommes seront tous jugés de leurs faits. Dieu ne regarde pas ce que les hommes faits (offrandes, habillement, fausses témoignages…) Il regarde ce qui est dans leur cœur.

4°/  Si Jésus est Venu pour délivrer l'humanité du péché original commis par Adam, pourquoi ne l'a t il jamais dit ? Vu que la bible ne contient aucune parole du christ parlant du péché originel, on signale la que cette doctrine a été développée bien après au début du Ve  siècle par un prêtre nommé augustin.
Quand Adam a péché, qu’est ce que Dieu voulait qu’il fasse : repentir et revenir à Lui. Au contraire, qu’est ce que Adam a fait, il fuit et même lorsque Dieu lui a demandé, il a accusé sa femme de lui avoir donné la pomme. Que signifie tout ça ? Jésus n’est pas venu pour effacer les péchés de l’humanité. Il est venu pour vous, seul (individuel). Il n’a jamais « forcé » quelqu’un à le suivre. Il a demandé si nous voulons Lui suivre. Nous sommes libres de choisir entre le bien et le mal ; mais Il nous montre le chemin, la vérité, l’amour et la vie. Que choisirez vous ? Il veut vous sauver.

5°/  Pourquoi Dieu le tout puissant devrait il faire descendre son prétendu fils pour pardonner aux gens leurs péchés, ne pouvait Il pas simplement pardonner ces péchés?
Ah ! Dieu a toujours pardonné les péchés (regardez l’histoire des enfants d’Israël). Il a mainte fois pardonné son peuple mais qu’est ce que le peuple a fait ? Vous connaissez très bien. Dieu est AMOUR, le grand AMOUR qui ne voulait pas tout le monde périsse. Il a encore donné son fils pour montrer au monde combien Dieu est grand et combien Il vous aime. Recevez le fils et vous saurez sauver et Il a promis pour vous la vie éternelle. N’est-ce pas beau de penser vivre éternellement.

6°/  Comment Dieu peut il être trois en 1 et un en trois (sans donner l'exemple de l'œuf ou celui de la pomme qui n'y correspondent pas) ?
Vous avez presque répondu. Si vous voulez comprendre qui est Dieu, regardez ce qu’il a fait : les fleurs (une miniscule graine noire qui se transforme en grandes plantes vertes et qui donne finalement à des fleurs colorés et parfumés). Qui peut inventer ça ? Pour comprendre Dieu, parle à Lui (prier) et apprendre à connecter avec Lui (croire). Pour pouvoir faire ça, demandez l’aide auprès de Jésus christ pour vous guider et le Saint Esprit pour vous protéger contre les idées diaboliques.

7°/  Si le christ est Dieu pourquoi le christ affirmait que c'est Dieu qui l'a envoyé ?
Pour Dieu, Christ est Lui-même mais pour Jésus Christ, il est fils missionnaire, il accomplit ce que son père lui demande de faire. Mais pour toujours éviter que les hommes pensent que ce n’est qu’un homme comme eux, Jésus peut dire qu’Il est Dieu. Et Il l’a prouvé grâce à ces actes (guérir les malades, faire des miracles, bénir les gens…)

8°/  Si le christ était d'accord sur ce qui lui arrivait et qu'il était Dieu pourquoi prierait il sur la croix "eli eli lama chabaktani": mon Dieu, mon Dieu pourquoi tu m’as abandonné ?
Dieu veux nous montrer l’image qu’Il a attend de nous : appeler son nom, demander son pardon et de nous délivrer du mal et nous prendre soin pendant toute notre vie. Avez-vous pensé à dire cette phrase où avez-vous déjà dit ? Et pourquoi vous ne le dites pas ? Et si jamais Dieu décide d’abandonner la terre, qu’est ce qu’il va se passer ?Ce qui était passé sont déjà écrit et connus à l’avance mais les hommes ne croiraient pas. Christ a dit ce phrase en tant que chair qui souffre ; après même, Il était mort. Dieu a vraiment abandonné ? Il a fait ressuscité Jésus. C’est la Gloire.

9°/  Quand Dieu, le créateur était sur la croix (gloire à lui de ce qu'il prétende), qui c'est qui s'occupait de la terre et des sept cieux, qui répondait aux prières de gens, qui.... ?
Ça revient toujours à la compréhension de sa personne. Quand le fils était sur la croix, le Père il vit.D’un autre côté, même si le Roi est mort, on prosterne toujours devant son corps. Mais la grande différence que le diable n’arrivera jamais de faire c’est la résurrection. Seuls Dieu et tous ceux qui croient en Lui pourraient ressuscités.

10°/ Pourquoi la libération des péchés n’a pas été faite au temps d'Adam?Même si Dieu a libéré les péchés depuis Adam, le péché vient du cœur des hommes. Ce n’est pas Dieu qui crée le mal. Dieu nous délivre du mal. C’est à nous de Lui demander de nous ôter les péchés et Lui donner Sa place dans notre cœur.

Voilà en résumé ce que je peux vous expliquer pour éclaircir : Dieu était là, Il a créé l’univers et les hommes pour gérer tous. Mais les hommes sont corrompus, ils ont péché et ont choisi le mal. Dieu n’a pas abandonné car Il a tant aimé le monde qu’il a créé. Dès fois, comme Père, Il frappe, Il donne des conseils ; et la plupart du temps Il bénît et donne la vie pleine de paix intérieure si nous sommes sages et nous l’adorons de tout notre cœur.
Avant, Dieu a envoyé des prophètes, des signes, des miracles… mais les hommes ne croyaient pas toujours. Il a décidé de descendre sur terre en tant homme pour montrer sa souveraineté, sa royauté, sa puissance et surtout son AMOUR aux hommes. Il n’est pas venu lui-même car tout la monde va dire que : « Ha ! Dieu est comme nous (mortel) » alors q’Il est éternel, le Roi des rois... Donc, Dieu a donné son fils unique (le seul et restera le seul) pour sauver ce monde : tous ceux qui croient en Lui et la vie éternelle. Certes, Jésus était mort (son corps) mais Il a été ressuscité et est monté au ciel auprès de son père pour préparer la vie qu’il va nous offrir. Après, Dieu a laissé le Saint Esprit (l’Eglise) pour nous veiller et surtout de nous protéger contre les tentations ou les attaques du diable.

Tsy misy famonjena afa-tsy ny fandraisana an’i Jesoa Kristy ao anatinao irery ihany.

 

Tompo ô ! vonjeo ny nosinay...
2009/05/19,13:05
FFPM 741  
Jehovah Tomp ô !

Tahio sy hatsarao Ny taninay,

Tahio ny namanay Ho tia ny teninao

Dia mba hazavao Ny nosinay

 Ovay ny fombanay

Ho foin’ny taninay Ny sampiny;

Omeo fo marina Izao rehetra izao

Ka dia mba iantrao ny nosinay  

Jehovah tompo ô!

Tahio ny olonao Ny zanakay;

Tahio ho zanakao, Tahio ho marina

Ka dia ho taninao Ny nosinay  

Izay mpitondra anay

Tahio ho tia Anao Jehovah ô !

Omeo sai-marina Hanao ny sitrakao,

Ka ampanompoy Anao Ny nosinay 
mitaraina ny tany...
2009/05/09,15:37

« Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany » Gen 1 :1

« Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin’ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa mbola tsy mbola nampilatsaka ranon’orana tambon’ny tany Jehovah Andriamanitra, ary tsy nisy olona hiasa ny tany; nefa nisy zavona niakatra avy tamin’ny tany ka nandena ny tany rehetra. Ary vovon-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony dia tonga olombelona izy » Gen 2 :5-7  

 

Mifamatotra amin’ny tany ny fiainan’ny zanak’olombelona ary tsarovy ny nataon’ny Adama : rehefa tsy nankato ka nandika ny didin’Andriamanitra izy dia nozon’Andriamanitra ny tany (« Satria efa nihaino ny feon’ny vadinao hianao, ka nihinananao ny hazo izay nandrarako anao hoe : Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao »  Gen 3 : 17). Izany hoe tadidio fa rehefa manota ianao dia ny tany izay onenano mihitsy no voaozona.

Araka ny II Tantara 7 : 14 “Raha ny oloko, izay nantsoina tamin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino azy any an-danitra Aho ary hamela ny helony sy hanasitrana ny taniny”. Diniho, mbola hamafisin’Andriamanitra fa, raha tsy mibebaka ny olona ka hiala amin’ny fomba ratsiny sy mitodika amin’Andriamanitra irery ihany, tsy ho sitrana ny taniny ary mbola ho betsaka foana ny fahoriany.

   Marina tokoa izany. Mampalahelo ny fiovan’ny toe-tsain’ny olombelona rehefa entin’ny fandrosoana, ka mihevitra fa amin’izao vanim-potoanan’ny fanatontoloana izao ve dia mbola hiverina hiasa tany. Iza anefa no afaka hilaza fa ny akanjo, na fiara, na haingo, na solosaina, na finday, na ny zavatra materialy no mahavelona ? Ary iza no tsy mahalala fa efa maro ny olona ankehitriny no mandao ny tontolo ambanivohitra izay mba faritra kely dia kely sisa mba mikarakara ireny tany ireny. Tsy misy ary tsy hisy afa-tsy ny TANY ary ny vokatry ny TANY irery ihany no manome aina. Satria avy aminy irery no ahazoana sakafo iveloman’ny olombelona rehetra sy tontolo iainana manodidina azy. Manampy azy koa etsy andanin’izany ny rano. 

  Iza ary firy amintsika anefa no manasoa sy manamainty molaly ny tany ? Firy amin’ny Malagasy no manajary ny tontolo misy azy : tsy manimba, tsy mandoro, tsy manao maloto sy tsy manimbazimba ny tany onenany. Maro no fanentanana ny hikajiana ny tontolo iainana, ny hitandrovana ny zava-boary izay harena sy tombom-pahasoavana nomen’Andriamanitra ny Malagasy. Rano raraka an-damosin-gisa anefa ireny ary vao maika aza mampitombo ny faritra simba sy potika noho ny hetraketraky ny olombelona.   Napetrak’Andriamanitra eto Madagasikara isika ary nomeny zava-tsoa maro tsy ananan’izao tontolo izao. Ny vahiny aza mitolagaga mahita ny hakanton’ity tanintsika ity ka maro ireo maniry te hanao zavatra eto.   


Koa amiko, tsy hitako izay mahamaika antsika amin’izay fandrosoan’ny teknoljia any, raha tsy ampiasaintsika ireny hanamafisana ny fiarovantsika ny soa toavin’ity tanintsika ity. Ary ho an’ireo olona tsy manana fahafahana ampiasa izany, eny ho antsika rehetra mihitsy, rehefa mbola tsy miezaka isika hikolokolo ny tany onenantsika dia mbola hahantra eto foana isika.

Efa natolotr’Andriamanitra ho anjarantsika ny fikojakojana ny natiora sy ny tonotolo iainana manodidina antsika. Ny fahavitantsika izany no ahafahantsika ihany koa mizara amin’ny firenena maro ny vokatry ny tanintsika sy hakantony.  Mifonà ho an’ity tanintsika ity ary ndao hamboly sy hiaro faran’izay mafy ny tontolo iainantsika.      

Herinomenjanahary F.
vavaka ho an'ny tanindrazana...
2009/05/04,09:00
« Raha ny oloko, izay nantsoina tamin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino azy any an-danitra Aho ary hamela ny helony sy hanasitrana ny taniny » 2 Tantara 7 :14    

Tompo ô ! Mivavaka aminao aho misolo-tena ny Malagasy rehetra mpiray tanindrazana amiko. Mifona sy mangata-pamelana amin’ireo fahotanay izay mahatezitra mafy anao ka hanehoanao izao zava-miseho eto amin’ny firenenay izao. Fantatray Tompo fa tsy mendrika tokoa izahay : mbola tia tena, mialona ny namanay, manambaka ny madinika, mirehareha amin’ny izao fiainana izao, feno fankahalana ny fonay sns.  Mangataka izahay Jesosy mba diovy amin’ny rànao, vonjeo Tompo ny Malagasy rehetra, sitrano ny taninay, mibebaka eto anatrehanao izahay noho ny tsy fahatanterahanay sy ny ditranay. Maloto loatra ny aty anatinay, nefa tsy hovitanay ny hanova ny fon’olona tsirairay avy. Koa vangio Tompo ny olona rehetra satria Ianao irery ihany no afaka hanadio anay. Tsy misy olona mahajoro irery eo anatrehan’ny fiainan’izao tontolo izao, tsy misy olona ahavita ny tenany. Koa midina Jesosy ô, miandry Anao izahay ary vonona hanaiky izay zavatra rehetra tianao atao aminay. Na dia mahatsiaro fangirifiriana aza anefa izahay dia aoka ny sitraponao irery ihany no ho tanteraka fa tsy ny anay velively. Ahitsio izahay tsy hampitamby Anao ka raha tsy omenao izay tadiavinay izahay tsy ahalala hitodika aminao. Tanteraho eo amin’ny fiainanay izay hevitra tianao hitondrana anay.  

 

Ny fototry ny olana mitranga eto amin’ny firenenay dia tsy politika, tsy toe-karena, tsy fandrosoana fa ny vola, ny lolom-po sy ny fifandrafiana. Tompo ô, mitalaho aminao aho mba avereno ao am-pon’ny Malagasy ny fitiavana, ny fitiavana ny namana, ny fitiavana ny tanindrazana. Fantatray fa izany no tena banga aty anatinay ka tsy ahafahanay manao soa amin’ny manodidina anay. Tompo ô, hahinjiro ny tànanao hanala ny asan’ny satàna eto amin’ity firenena izay nametrahanao anay ity ary tantano izay hiverina ao aminao ka hanasoa ny taninay sy ny mpiara-belona aminay. Misaotra anao aho Jesosy raha nomenao fotoana ahafahako nanandratra izay tonom-bavaka izany ary mahatoky aho fa hamaly vavaka anay Ianao. Amena.  

 

Herinomenjanahary F.
misy antso...
2009/04/25,07:38

Sal 50: 15 "Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao"

Jer 33: 3 "Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao"

Rom 10: 13 "Fa izay rehetra miantso ny Anaran'ny Tompo no hovonjena"  

 

Iza no antsoinao?

Fampanantenana nomen’Andriamanitra izao tontolo ireo teny ireo ary mino aho fa fantantsika koa fa tsy ireo ihany akory ny fampanantenana efa natolotr’Andriamanitra ho antsika. Mbola mamerina izany indray ny Tompo ary miantso antsika Malagasy handray Azy ao am-po satria tsy misy afaka ny hamonjy ny tenany samy irery na dia iray aza rehefa tojo fahoriana. Raha izany ihany dia hirehareha ny olona fa mahavita ny tenany ary heveriny fa tsy misy tokony ilàny an’Andriamanitra. Tandremo ny fahadisoan-kevitra ary diniho tsara ny làla-marina. Ny anjely no tsy mila mpamonjy, ny devoly no tsy azo vonjena fa isika olombelona tsirairay dia mila izany mpamonjy izany. Satria efa teraka tamin’ny ota sady mpanota isika dia tsy ahazo famonjena raha tsy manaisotra ny fahotantsika Andriamanitra. Izany anefa tsy ho tanteraka raha tsy lavintsika ny tenantsika ka manolotra manontolo ho an’ny Tompo ary Izy hanjaka ao am-pontsika sy hanapaka ny fiainantsika manontolo.

Tsy efa renao ve ny zava-misy any amin’ny firenena hafa misy sakana maro sy enjehina noho ny amin’ny fitoriana ny filazantsaran’i Kristy izay mitovy tamin’ny andron-dRanavalona I teto amintsika. Efa nosaininao ve ny ady hatrehan’ireo kristiana te hahita izany fiainana atolotry ny Tompo azy izany. Ny fijalian’izy ireo isan’andro vaky te hahita ny mazava sy ny fitiavana ary te-hiaina an-kahalalahana eo ambany fahasoavan’ny Tompo. Koa nahoana isika mbola manana tombony lehibe amin’ny ahazoantsika manome voninahitra sy midera azy isan’andro no tsy mba manao izany ary indraindray aza manadino ny misaotra an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra atolony antsika.

Aoka tsy ataontsika mandalo eo ambany masontsika fotsiny izao teny izao, henoy fa feo miantso anao ao amin’ny mangina ao hanatona ny Tompo. Mino aho fa tsy vao voalohany no nisy niantso ianao ary mino koa aho fa raha misy miantso ianao eny an-dalàna rehetra eny, mitodika ihany satria misy mahafantatra anao ka te ho jerenao izy. Koa aza modian-tsy jerena fa mahafantatra anao Jesoa Kristy. Te-hihaona aminao izy (Lioka 19:5), te-handroso ao am-ponao izy (Apokalypsy 20:3), te-hanome fiainana ho anao izy (Jaona 3:16).

Tsy marina velively ny filazana fa sarotra ny manara-dia sy miaraka amin’ny Tompo satria be loatra ny fepetra takiana. Diniho tsara fa ny Tompo efa nanome safidy malalaka ho antsika tsirairay avy fa ny sarotra tena sarotra ho antsika dia ny mandà ny tenantsika, manala ny fanahiantsika, ny tsy fahatokiantsika an’Andriamanitra fa misalasala sy miriorio mandrakariva. (Lio 9:57-62)

Hamonjy anao anie Andriamanitra. Minoa Azy ary valio ny antsony sao dia izao no ora farany ka ho very ny fanahinao. Tsy misy olona na dia iray aza afaka ahalala mialoha ny andro ahafatesany ka sarobidy ny fotoana. Sady tsy tsara tokoa ve raha ety an-tany dia efa misantatra izay fiainana mamy atolotry ny Tompo izany. Mandehana amin’ny fifaliana ka zarao amin’ny malahelo sy very fanantenana izao teny izao. “Ny fandresena enti-mandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika Herinomenjanahary F.
Révéil à Ouganda
2009/04/23,15:17
Ouganda:
Ce que Dieu fait...

Il y a seulement 15 ans, l'Ouganda était, selon le reste du monde, une cause perdue. Le successeur d'Idi Amin Dada avait continué dans la violence et l'oppression. L'inflation était passée de 380% à près de 1000%. Le tourisme devenait inexistant, et les ambassades quittaient le pays les unes après les autres. Les experts de l'OMS prédisaient un effondrement total du pays, avec la mort d'un tiers de sa population. Dans cette situation chaotique, un homme se leva et proclama: "Qui allons-nous croire? Les experts de l'OMS, ou la Parole de Dieu? Dieu a un plan pour notre nation". Peu nombreux furent ceux qui écoutèrent cette voix, mais ceux qui l'avaient entendue restèrent dans la prière. Le résultat fut un changement qui transforma la nation. Quand l'Evangile arriva en Ouganda en 1877, il se produisit à la fois une percée radicale, et un conflit spirituel. Les 36 premiers martyrs ougandais moururent de la main du roi Mwanga, en 1886, mais ces martyrs furent les racines du réveil en Afrique de l'Est, qui démarra dans les années 1920 au Rwanda et Ouganda. En 1977, le général musulman Idi Amin prit le pouvoir et lança une violence persécution contre tous ses opposants. Il déclara l'Ouganda état islamique, malgré le fait que seul 3% de la population était musulmane. Idi Ami invita Kadafi, et le roi Faiçal, d'Arabie Saoudite à la cérémonie de 4 jours. Les chrétiens réagirent, certains en prenant la fuite, d'autres par la prière. Ils formèrent des églises dans la jungle, et tinrent des réunions de prière 24h sur 24. Toutes les différences entre dénominations disparurent. "Ce que les gens croyaient n'avait pas d'importance, aussi longtemps qu'ils étaient capables de prier", se souvient John Mulinde, un prédicateur ougandais. Après le départ d'Idi Amin en 1979, les chrétiens crurent au retour de la paix, et le mouvement de prière perdit en puissance. L'indifférence, la complaisance étaient de retour. Après avoir reconnu cette erreur, les chrétiens relancèrent un mouvement national de jeûne et de prière, pour vaincre les puissances des ténèbres et les calamités qu'elles amenaient. Ce qui suit sont quelques exemples de ce que provoqua ce mouvement national de prière. Nouvelle alliance avec le Dieu vivant Le président Museveni abrogea l'alliance islamique d'Idi Amin, et remit lors d'une conférence un drapeau de la nation à un groupe d'intercesseurs, symbole prophétique qui brisa la malédiction de la nation, en la vouant au Dieu de la Bible. Lutte contre la corruption Mulinde lança un défi au président pour endiguer la marée de corruption dans le pays. "Nous avons notre police, notre administration, mais nous ne pouvons pas changer le coeur des gens. C'est le travail de l'Eglise", répondit le président. En partenariat avec les chrétiens, des campagnes de moralité et d'intégrité démarrèrent. Un Ministre d'Etat né-de-nouveau fut même appointé pour les questions d'éthique. SIDA: Moralité et préservatifs Le gouvernement et les églises convinrent d'une double stratégie - usage de préservatifs et cours de morale en vue d'un retour aux valeurs bibliques. L'Ouganda devint la première nation dans laquelle le taux de SIDA commença à diminuer. L'OMS, devant ce mystère, fit une enquête sur "le phénomène ougandais". Maîtrise de l'inflation L'inflation passa de 380% à 6 à 8%. La Banque Mondiale cita l'Ouganda comme exemple de relèvement économique en Afrique. Nouvelle unité parmi les chrétiens Dieu conduit les chrétiens de toutes dénominations dans une nouvelle unité - l'Alliance Chrétienne Ougandaise. L'ACO est un réseau de ministère dont le but est de "faire des disciples dans toute la nation, et servir les autres nations". (Source: Joel News, John Mulinde, World Trumpet Mission, e-mail:
[email protected]) Note: La vidéo "Ce que Dieu fait en Ouganda" sera disponible en Mai 2001.
Contact: [email protected]
 http://www.croixsens.net

 

Valim-bavaka…
2009/04/22,16:09
Izao fotoana izao dia fotoana tian’Andriamanitra hanehoana amintsika Malagasy rehetra ny voninahiny sy ny fahefany satria efa vavaka nataontsika mianakavy izao dia ny mba hitodihan’ny Malagasy rehetra sy hiverenantsika amin’Andriamanitra. Noho izany ry Kristianina havana dia aoka tsy hatahotra na hanahiahy na dia kely akory aza isika satria efa fandaharan’Andriamanitra, ary azo lazaina mihitsy aza fa valim-bavaka izao. Raha jerena tokoa mantsy ny Baiboly sy ny tantaran’ny zanak’Israely talohan’ny nitondran’Andriamanitra azy ireo hiala tao amin’ny tany Egypta dia mampiseho amintsika ny zavatra mitovitovy amin’izao toe-draharaha misy eto Madagasikara izao. Voasoaratra fa Andriamanitra mihitsy no nanamafy ny fon’i Farao mba hampijaly ny zanak’israely. Satria, raha toa ka tsy nahatsiaro fangirifirina teo ambany fanandevozan’ny Egyptiana izy ireo dia tsy hahalala velively ny hiantso sy hitodika amin’Andriamanitra, na koa raha mbola zakany ihany ny fampijaliana natao azy dia hihevitra izy fa ny tenany ihany dia mety hahavotra azy. Ny tantara rehetra amin’ny bokin’ny Eksodosy, nandritry ny nitondran’i Mosesy ny zanak’Israely dia manamarina izany toe-pon’ny olona izany ; satria rehefa hitan’izy ireo fa afaka teo ambany vahohon’ny Egyptiana izy ireo dia nanadino indray ny fitiavan’Andriamanitra ary nanao izay mifanohitra amin’ny lalàna nomena azy. Tonga hatramin’ny famoronana andriamanin-kafa sy ny fanompoan-tsampy. Rehefa tezitra tamin’izy ireo indray Andriamanitra ka nanisy loza ho azy ireo sy nandefa fahavalo teny an-dalàna dia mbola zavatra mampalahelo koa no nataony satria vitan’izy ireo ny nilaza fa naleony ihany tany amin’ny tany nahandevozana toy izay hiharitra ny fahoriana teny amin’ny tany efitra. Mamindra fo anefa Andriamanitra ary mitazona mandrakizay ny fanekena efa nataony dia ny hitondrany ny zanak’Israely, vahoaka nofidiany, ho an’ny tany tondra-dronono sy tantely izay efa nampanantenainy.  Koa mampieritreritra anao aho amin’izao fotoana izao. Ny zava-misy eto amin’ity firenena malalantsika ity dia tsy fitsapana fotsiny ho antsika kristiana akory fa fifohazam-panahy lehibe kosa hibanjinantsika an’i Jesoa Kristy irery. Valim-bavaka tokoa izao satria ren’Andriamanitra ny antsontsika izay mitalaho mafy ny mba hibebahan’ny vahoaka Malagasy. Raha tsy misy izao zavatra miseho izao dia mbola hirehareha foana ny olona, hampanjaka ny ambo-pony, tsy hitsinjo sy tsy hihevitra ny hafa sns.Diniho fa tsy maintsy mandalo sedra sy afo mahamay avokoa ny zavatra rehetra vao mahita fahatsarana : isan’izany ny tantaran’i Joba, torak’izany ny fanefena volamena izay tsy maintsy amin’ny alalan’ny afo, eo koa ny fanaovana mofomamy izay mbola miditra lafaoro vao mahazo ilay endrika sy tsiro tadiavina aminy. Koa meteza ny fontsika ho tefena ary aza mitaraina kely akory fa angataho amin’Andriamanitra ny fahatokiana feno fa Izy manana hevitra tsara sy mahasoa antsika. Isaory Izy afaka nanome izao toe-javatra izao hampiorina mafy antsika ao aminy. Koa na inona hiseho na inona hitranga ho an’ny ampitso dia isika efa manantena fa Andriamanitra tsy mivadika amin’ny fanekeny («Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny» II Tantara 7 :14). Mahareza ary ataovy ho hitan’izao tontolo izao fa manana Andriamanitra tia antsika ary tiantsika isika Malagasy. Tsarovy ho antsika kristiana fa izao tontolo izao tsy mba manana Baiboly ho jereny ary na manana ihany aza tsy mba mamaky sy miaina izany ka tsy mahita ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny fahasoavana izay atobany isan’andro isan’andro. Koa noho izany, tandremo ny fihetsika sy ny fihevitra ary ny atao ; fa isika izao no Baiboly vakian’ny olona sy fahazavan’i Kritsy ety amin’izao tontolo izao. Ialao ny fampielezana ny vaovao tsy marina mety hiteraka korontana na mety hampifamaly na handranitra ady. Diniho tsara sy am-pieritreretana tony aloha ny teny avoaka : rehefa tsy fantatrao ny fahamarinany sy tsy anananao ny porofo azo antoka dia aleo tsy miteny. Tsy hahita tombontsoa amin’ny fampielezana izany isika; indrindra koa ka zavatra ratsy no tiantsika tenenina. Fahendrena ny mitondra izay hevitra ratsy lazain’ny hafa eo anatrehan’Andriamanitra. Mifonà ho azy ary ambarao aminy koa fa tsy mety ny manao vavolombelona mandainga na manaparitaka resaka izay tsy hiteraka voka-tsoa velively. Ndeha koa ho tononontsika aminy ny fiadan’ny Tompo ary ampatsahivintsika azy ireo fa ny fitrotroana am-bavaka ny tanindrazantsika aza no tena tokony atao sy ny milaza ny filazantsaran’i Kristy. Fa maninona tokoa hoe no rehefa vaovao ratsy sy tsy misy dikany dia malaky isika ny hanambara azy fa rehefa hizara ny vaovao mahafaly entin’ny Tompo ho antsika dia misalasala tanteraka sy toa tsy vonona velively isika? Efa im-betsaka isika no naheno feo miantso antsika Malagasy mba hifoha, efa impiry isika no naheno toriteny manentana antsika mba hampandroso an’i Jesoa Kristy ka handray azy aty anatintsika. Mbola hiandry rahoviana ihany ianao no ho vonona ?(sanatria hiandry hahita loza isan’andro vaky ve?). Ho amintsika anie ny fiadanan’ny Tompo. 

Herinomenjanahary, F.

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype