antso hivavaka

« Révéil à Ouganda | Main | vavaka ho an'ny tanindrazana... »

misy antso...
2009/04/25,05:38

Sal 50: 15 "Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao"

Jer 33: 3 "Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao"

Rom 10: 13 "Fa izay rehetra miantso ny Anaran'ny Tompo no hovonjena"  

 

Iza no antsoinao?

Fampanantenana nomen’Andriamanitra izao tontolo ireo teny ireo ary mino aho fa fantantsika koa fa tsy ireo ihany akory ny fampanantenana efa natolotr’Andriamanitra ho antsika. Mbola mamerina izany indray ny Tompo ary miantso antsika Malagasy handray Azy ao am-po satria tsy misy afaka ny hamonjy ny tenany samy irery na dia iray aza rehefa tojo fahoriana. Raha izany ihany dia hirehareha ny olona fa mahavita ny tenany ary heveriny fa tsy misy tokony ilàny an’Andriamanitra. Tandremo ny fahadisoan-kevitra ary diniho tsara ny làla-marina. Ny anjely no tsy mila mpamonjy, ny devoly no tsy azo vonjena fa isika olombelona tsirairay dia mila izany mpamonjy izany. Satria efa teraka tamin’ny ota sady mpanota isika dia tsy ahazo famonjena raha tsy manaisotra ny fahotantsika Andriamanitra. Izany anefa tsy ho tanteraka raha tsy lavintsika ny tenantsika ka manolotra manontolo ho an’ny Tompo ary Izy hanjaka ao am-pontsika sy hanapaka ny fiainantsika manontolo.

Tsy efa renao ve ny zava-misy any amin’ny firenena hafa misy sakana maro sy enjehina noho ny amin’ny fitoriana ny filazantsaran’i Kristy izay mitovy tamin’ny andron-dRanavalona I teto amintsika. Efa nosaininao ve ny ady hatrehan’ireo kristiana te hahita izany fiainana atolotry ny Tompo azy izany. Ny fijalian’izy ireo isan’andro vaky te hahita ny mazava sy ny fitiavana ary te-hiaina an-kahalalahana eo ambany fahasoavan’ny Tompo. Koa nahoana isika mbola manana tombony lehibe amin’ny ahazoantsika manome voninahitra sy midera azy isan’andro no tsy mba manao izany ary indraindray aza manadino ny misaotra an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra atolony antsika.

Aoka tsy ataontsika mandalo eo ambany masontsika fotsiny izao teny izao, henoy fa feo miantso anao ao amin’ny mangina ao hanatona ny Tompo. Mino aho fa tsy vao voalohany no nisy niantso ianao ary mino koa aho fa raha misy miantso ianao eny an-dalàna rehetra eny, mitodika ihany satria misy mahafantatra anao ka te ho jerenao izy. Koa aza modian-tsy jerena fa mahafantatra anao Jesoa Kristy. Te-hihaona aminao izy (Lioka 19:5), te-handroso ao am-ponao izy (Apokalypsy 20:3), te-hanome fiainana ho anao izy (Jaona 3:16).

Tsy marina velively ny filazana fa sarotra ny manara-dia sy miaraka amin’ny Tompo satria be loatra ny fepetra takiana. Diniho tsara fa ny Tompo efa nanome safidy malalaka ho antsika tsirairay avy fa ny sarotra tena sarotra ho antsika dia ny mandà ny tenantsika, manala ny fanahiantsika, ny tsy fahatokiantsika an’Andriamanitra fa misalasala sy miriorio mandrakariva. (Lio 9:57-62)

Hamonjy anao anie Andriamanitra. Minoa Azy ary valio ny antsony sao dia izao no ora farany ka ho very ny fanahinao. Tsy misy olona na dia iray aza afaka ahalala mialoha ny andro ahafatesany ka sarobidy ny fotoana. Sady tsy tsara tokoa ve raha ety an-tany dia efa misantatra izay fiainana mamy atolotry ny Tompo izany. Mandehana amin’ny fifaliana ka zarao amin’ny malahelo sy very fanantenana izao teny izao. “Ny fandresena enti-mandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika Herinomenjanahary F.

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype