antso hivavaka

« mitaraina ny tany... | Main | Valin'ny fanontaniana ho an'ny Kristiana... »

Tompo ô ! vonjeo ny nosinay...
2009/05/19,13:05
FFPM 741  
Jehovah Tomp ô !

Tahio sy hatsarao Ny taninay,

Tahio ny namanay Ho tia ny teninao

Dia mba hazavao Ny nosinay

 Ovay ny fombanay

Ho foin’ny taninay Ny sampiny;

Omeo fo marina Izao rehetra izao

Ka dia mba iantrao ny nosinay  

Jehovah tompo ô!

Tahio ny olonao Ny zanakay;

Tahio ho zanakao, Tahio ho marina

Ka dia ho taninao Ny nosinay  

Izay mpitondra anay

Tahio ho tia Anao Jehovah ô !

Omeo sai-marina Hanao ny sitrakao,

Ka ampanompoy Anao Ny nosinay 

Hevitra

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype