antso hivavaka

Ianao ve mampahalala an'Andriamanitra ny zanakao?
2021/03/23,08:13

 

Mat 11:27 Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy.

Misy ny fanekena izay ataon'ny Ray aman-dreny rehefa amin'ny fotoana hanaovana batisa ny zanany.

Azonao toky ve fa mahafantatra an'Andriamanitra ny zanakao? sa na ianao aza misalasala?

Iza io Andriamanitra io ?

Andriamanitra nahary izao tontolo izao, fitiavana, mpamela heloka ka namonjy ny olombelona rehetra, hanome ny fiainana mandrakizay

Mino an'Andriamanitra ary ve ny zanakao ?

 

Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara
2020/06/11,11:26

 

Any am-pianarana no sehatra azo antoka afaka hanabeazana ny olona ho olom-banona.

Ireto misy hevitra arosoko hanatsarana ny fandaharam-pianaran'ny ankizy malagasy.

 

Amin'ny fahakeliny (ambaratonga voalohany) dia tsara raha mahay ireto (5-10 taona)

Ny antony : fototry ny maha-olompirenena ; satria hatreto ny ankamaroan'ny zanaka malagasy dia mijanona eto ny fianarana vitany.           

  • olom-pirenena : andraikitra sy adidy
  • fifidianana => antony, dikany
  • hetra => antony, dikany
  • fananam-bahoaka => hajaina sy arovana
  • asam-panjakana: fanampiana ny vahoaka
  • repoblika: fitondrana (≠ fanjakana) fifandimbiasam-pahefana
  • tontolo iainana, zava-boahary, rano: fitandrovana azy
  • madagasikara: tany mamokatra (fambolena sy fiompiana)
  • fahasalamana: tazo moka, fanjarian-tsakafo

 

Rehefa manomboka ho lehibe izy (ambaratonga faharoa) dia mila ampahafantarina ny mahakasika ny fiainany (11-15 taona)  

Ny antony: ahalalàny sy ifehezany ny maha izy azy           

  • zo fototra
  • zon'olombelona
  • zon'ny mpamorona
  • fahasalamana: ady amin'ny herisetra ara-nofo, fanalan-jaza
  • ady amin'ny zava-mahadomelina
  • fahaiza-miaina: fanajana ny hafa, fahalalam-pomba
  • fitondran-tena olom-banona
  • ady amin'ny fanavakavahana
  • asa: fehezan-dalàna, fisokajiana

 

Ary ho an'ireo tanora efa nahazo ny fahalàlana fototra dia tsara omanina hiatrika ny ho aviny izy (asa)   (16-18 taona

Ny antony: hananany toe-tsaina miabo vonona hamokatra           

  • madagasikara: nosy miavaka maro harena voajanahary
  • toe-karena: ilàna azy
  • politika: demokrasia, andrim-panjakana
  • ady amin'ny kolikoly
  • matihanina: toe-tsaina vonona sy manaja asa
  • famoronana
  • fitiavan-tanindrazana
  • fanajana fandaminana fiaraha-monina
  • seha-pihariana

Ny ambaratonga ambony dia efa mandray an-tànana ny hoaviny izy ka misafidy izay làlana tiany. Fanohanana no ilainy: hevitra, vola, fomba fiasa mahomby, fitarihana... 

L’éducation est l’arme la plus puissante qu’on puisse utiliser pour changer le monde. Nelson Mandela

Ianao ve manoro fahalalam-pomba ny zanakao?
2020/05/28,08:27

 

Marobe ny fahaiza-miaina/fahalalam-pomba ilaina eo amin'ny fiaraha-monina ary arakaraky ny sokajin'olona sy ny sarangany indrindra ihany koa. Eo anatrehan'ny karazan'olona manoloana anao dia misy fihetsika samihafa tokony ho voafehy sy hainao: Manoloana mpitondra fanjakana, mpitondra fiangonana, Ray aman-dreny, Mpiraitampo, Havana, Namana, Vehivavy, Ankizy.

Ireny rehetra ireny dia samy hafa ny fomba fanajana azy. Tsy hiditra @ antsipirihany eto isika satria lava dia lava raha tanisaina fa ny kely indrindra izay tokony ho fantatra no ndeha ho zaraina:

Miarahaba

Manao azafady

Misaotra

Mari-panajàna

Fihetsika maotina

Ito misy rohy izay mamelabelatra ny fahalalam-pomba

http://teny-fiainana.e-monsite.com/pages/ny-fahalalam-pomba.html

Inona avy moa no atao hoe fahalalam-pomba?

Fihetsika sy fahaiza-miaina tena tsara andrasana amin'ny olona rehetra ny fahalalam-pomba. Ary satria ny Tenin'Andriamanitra dia milaza fa

« Na inona na inona marina, na inona na inona maha-te ho tia, na inona inona madio, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany » (Filipiana 4:8)

Dia zavatra izay tokony heverin'ny kristiana tsiariray avy, ary ny olona rehetra mihitsy, ny hananana fahalalam-pomba. Mahafinaritra mantsy ny miara-miai-na amin'ny olona mahalala fomba. Ary eny fa na dia tsy mahafeno ny famaritana ny atao hoe fitiavana aza ny fahalalam-pomba, ny fifehezana azy fotsiny dia efa afaka mamoha ny fitiavana. Mampalahelo anefa fa tapitra tsy mahalala fomba ny ankamaroan'ny Malagasy ankehitriny, indrindra fa ny ankizy sy ny ta-nora. Koa dia andeha àry haverintsika holazaina eto ireo karazana fahalalam-pomba izay andrasana amin'ny olona rehetra:

(1). Rehefa mihaona amin'ny olona fantatrao ianao, indrindra fa hoe mifanerasera aminao, namanao, mifanampy aminao, mifampihinana ny manta sy ny masaka aminao, dia arahabao izy. Ny teny voalohany tokony hivoaka amin'ny vavanao dia ny fiarahabana azy. Mampalahelo ny toetran'ny tanora indrindra indrindra ankehitriny, na dia ny namany, na dia ny olona manampy azy, na dia ny olona mifampihinana ny manta sy ny masaka aminy aza, dia tsy vitany ny miarahaba azy. Raha ohatra tsy afaka miteny izany ianao fa eny am-pitan'ny arabe ohatra, na somary mifanalavitra ianareo fa tsy mifanena, dia manaova fihetsika maneho fiarahabana amin'ny tanana na amin'ny vava.

(2). Rehefa mihaona, na mifanena amin'ny olona amin'ny olona fantatrao ianao, ka ianao no zandry olona, fa izy no zokinao, dia ny zandry olona no miara-haba voalohany ny zokiolona, ny zanaka no miarahaba voalohany ny raiamandreny, ary ny mpiasa no miarahaba voalohany ny mpampiasa. Raha tsy hoe angaha zazakely mbola tsy mahay miteny ianao, na zazakely tian'ilay zokiolona amin' ny fomba manokana, koa dia izy no mandeha miarahaba anao voalo-hany.

(3). Rehefa mivahiny any an-tranon'olona ianao ka tsy nasaina, dia anjaranao vahiny no miarahaba voalohany ny tompon-trano, na iza izy na iza, eny fa na dia ny zandrinao aza. Fa tsy ianao vahiny indray no handeha hiandry ho arahabaina. Fa raha kosa nasaina ianao, dia tsy maninona raha ny tompon-trano no miarahaba anao voalohany: midika izany fa niandry dia niandry anao tokoa izy.

(4). Rehefa mivahiny any an-tranon'ny namanao ianao, na any an-tranon'ny fianakavianao, dia aza ny namanao, na ny fianakavianao ihany no arahabainao sy ataonao veloma, fa ny olona rehetra izay hitanao ao. Firifiry ny ankizy sy ny tanora no tsy mahalala izany akory, eny fa na dia ny lehibe sy ny antitra aza, fa ilaozany mivandravandra fotsiny rehefa mahita ireo olona hafa ao-trano, kanefa tsy namany

(5). Rehefa mahita olon-dehibe eny an-dalana ianao, dia aza antsointsoina izy, eny fa na dia misy ilanao azy aza. Indrindra izany hoe avy ery amin'ny 100 metatra na 200 metatra ery no misy anao. Raha tsy hoe angaha marary malemy tsy afaka miala eny ianao ka mila vonjy maika aminy, na mety tsy ho tafaresaka aminy ianao na dia efa manenjika azy aza. Izany no mahatonga anareo tanora lahy tsy misy mijery akory rehefa misiotsioka vehivavy eny an-dalam-be: satria voalohany indrindra dia tsy mahalala fomba. Vao manomboka ny fifandraisana dia efa maneho ny tsy fahalalana fomba, ny tsi-fahaizana mifandray aman'olona. Tadidio tsara fa

« Foto-kazo sy vorona io, ka izay manina no manatona ».

Ary tadidio tsara fa ny ankizy no antsoin'ny ray aman-dreny, ary ny samy ankizy no mifampian-tsoantso, fa tsy ny samy olon-dehibe manan-tsaina akory. Rankizy sy ry tanora malala, aza miantsoantso olon-dehibe eny an-dalana, indrindra indrindra aza antsointsoinao amin'ny anarany izy, fa tsy fahalalam-pom-ba, tsy fanajàna olona izany.

(6). Rehefa mifanena amin'ny olon-dehibe izay fantatrareo, na ny mpampianatra anareo eny an-dalana ianareo, rankizy sy ry tanora malala, dia aza arahabainareo amin'ny anarany izy, na amin'ny anarana izay nomeny anareo, fa tsy fahalalam-pomba, tsy fanajàna olona izany. Tsy ankizy kely sy tanora vao misondrotra toa anareo akory ny olon-dehibe sy ny mpampianatra anareo, koa dia azonareo tonotononina amin'ny anarany, toy ilay hoe mitovy sata aminareo iny izy. Tadidio tsara fa ambony noho ianareo ny olon-dehibe rehetra, indrindra fa ny mpa-mpianatra anareo, mitovy toerana amin'ny ray aman-dreny izay niteraka anareo izy, manan-kasina mitovy amin'ny an' ny ray aman-dreny izay niteraka anareo izy, koa dia fanajàna mitovy amin'izay atolotrareo ny ray aman-dreny izay niteraka anareo no asaina atolotrareo azy. Eny fa na dia misangisangy aminareo (manao « plaisanteries ») aza izy tsindraindray, dia tsy midika akory izany fa lasa mitovy laharana aminareo izy izany, koa azonareo entina amin' izay tianareo itondrana azy. Tadidio tsara fa na ny Tenin'Andriamanitra aza dia milaza hoe

« Manajà ny olona rehetra » (II Petera 3:16 ?).

(7). Rehefa mitady ny namanao, na ny olom-pantatrao any an-tranony ianao, aza avy any ivelany any ianao no tonga dia miantsoantso azy amin'ny anarany, na miantso azy amin'ny alalan'ny fisiahatsiahana, na mitoratoraka ny varavarany, na ny varavarankeliny, fa dondomyny varavarana na ny vavahady, dia arahabao na iza na iza mipoitra eo. Raha ilay olona tadiavinao moa no avy hatrany dia mipoitra eo, dia zara ho anao. Fa raha olon-kafa kosa no mipoitra eo voalohany, rehefa avy nampisehoanao izay fahalalam-pomba izay izy, dia ho mora aminao ny manontany azy raha ao izay olona tadiavinao na tsia. Ary hametraka fahatsiarovana tsara amin'ny fianakavian'ilay namanao ianao ka vao mainka hanatsara ny fifandraisanao aminy izany.

(8). Rehefa mihaona amin'ny olona izay fantatrao ianao, aza maika ny hanolotra ny tananao hiarahaba azy. Tadidio tsara, fa ny zokiolona no manolotra voalohany ny tanany amin'ny zandriolona, ary ny lehibe no manolotra voalohany ny tanany amin'ny mpiasa manampy azy, fa  tsy ity olona rehetra ity akory no andeha anolora-nao ny tananao.

(9). Rehefa mivahiny any an-tranon'olona ianao, aza manao toy ny hoe any an-tranonao, ka ianao vahiny indray no hampiafiafy ny tompon-trano. Miera mandrakari-va alohan'ny hanaovanao zavatra izay mahakasika ny tompon-trano ao, eny fa na dia heverinao ho tsy misy dikany intsony aza izany. Tsy mitovy fomba fihevitra sy fanao aminao avokoa akory ny olona, ka hankasitraka sy hanaiky mandrakariva izay hataonao. 

(10). Rehefa mandalo olona izay mipetraka ianao na mitingitingina, manaova azafady, fa aza mandika toy ny omby be fotsiny. Indrindra fa raha olon-dehibe ilay olona mipetraka.

(11). Rehefa mila ny fanampian'ny olona ianao ka tsy afaka na tsy te hiala eo amin'ny toerana izay misy anao, dia manaova aloha "Azafady" izay vao mampanao azy izay zavatra ilainao, fa tsy tonga dia mibaikobaiko fotsiny azy amin'izao toy ireny hoe mpiasanao ireny izy. Na koa antsoy amin'ny anarany izy, dia mba asio "Mba" ny zavatra izay ilainao aminy, fa tsy hoe "K'aiza e", na "Avia". 

(12). Rehefa misy fahadisona tsy nahy nataonao tamin'olona, dia mba manaova "Azafady", fa tsy mandeha jonjorombina fotsiny amin'izao ianao.

(13). Rehefa avy nivahiny tany an-tranon'olona ianao, ka handeha, dia manaova veloma izay olona notsidihinao tao, ary ataovy veloma avokoa izay olona rehetra hitanao tao, na mba anafaro ilay olona nalehanao tao mba hampitany ny "Veloma" sy ny "Mampamangy" amin'ny olona rehetra, fa tsy mandeha fotsiny amin'izao any amin'izay tianao aleha ianao. Tadidio tsara fa 

"Ny tonga tsy miarahaba hono tsy naman'ny faly, ary ny lasa tsy manao veloma naman'ny tezitra". 

(14). Rehefa hisakafo, dia tsy fahalalam-pomba raha ny zandry olona, na ny vahiny sy ny olona nasaina no maka ny sakafo natolotra voalohany, sy mihinana voalo-hany, ary tsy fahalalam-pomba ny miala ny latabatra raha mbola tsy nahalany avokoa ny olona rehetra (raha tsy hoe ho any amin'ny efitrano fivoahana ianao). Fa raha tsy maintsy hanao izany ianao, dia miera aloha, vao manao izany, fa mahasadaikatra ny olona rehetra.

(15). Rehefa mahita zokiolona na vehivavy mitondra vohoka, na mitaiza kely, na olona marary, na vehivavy aza, ianao any anaty fiara fitaterana, dia mitsangana raha tsy misy toerana azony ipetrahana intsony, mba ipetrahany.  Tsy hoe fahalalam-pomba intsony aza izany, fa fiantrana olona mihitsy. 

(16). Rehefa miresaka olona iray amin'ny olon-kafa ianao, dia aza eo imasony, aza atao hitany ary aza atao reny ny iresahanao azy, indrindra fa raha mbola man-deha izy, ary raha tsy olona mpiresaka aminy akory ianao. Eny fa na dia zavatra tsara nataony aza no iresahano azy, fa tena tsy fahalalam-pomba izany.

(17). Aza mipetraka ambonin'ny olona anankiray, raha toa ka hifanandrify amin'ny lohany ny fitombenanao, na ny tongotrao.

(18). Rehefa te handefa rivotra ianao, mba tazony araka izay azo atao izy io. Raha raha tsy voatananao intsony dia manaova azafady. Rehefa tsy maintsy handefa rivotra ianao, araka izay azonao atao, dia mandehana any amin'ny efitrano fivoahana na fidiovana, na farahafaharatsiny mba mifindra efitrano. 

(19). Rehefa miseho manoloana ny mpanjaka na ny fianakavian'ny mpanjaka ianao, dia ataovy ny fomba fiarahabana azy manokana fanao any amin'ny fireneny. fa tsy mitovy mihitsy akory ny fomba fiarahabana ny mpanjaka sy ny fianakavian'ny mpanjaka, sy ny fomba firesahana amin'izy ireny. 

(20). Rehefa mivavaka amin'Andriamanitra ianao, indrindra amin'ny andro ôfisialy izay natokana hanaovana izany, dia miankohofa, na farafaharatsiny, mandohaleha foana raha mbola azonao atao koa. Tadidio tsara, fa tsy hoe Andriamanitra fotsiny akory Andriamanitra, fa Mpanjakan'ny Mpanjaka ihany koa. Efa nanontany tena ny amin'ny fomba firesaka amin'ny mpanjaka ve ianao? Dia hitanao amin'izany ny fomba tokony iresahana amin'Andriamanitra.

(21). Farany, rehefa miaraka amin'ilay vehivavy izay tianao ianao, na hiditra ny trano sy ny efitrano, na hiditra ny fiara, na any amin'ny efitrano fisakafoana-na izany, dia aleo aloha hiditra ilay vehivavy izay tianao, izay ianao vao miditra, ary aleo aloha hipetraka ilay vehivavy izay tianao, izay ianao vao mamonjy ny toeranao. Ka amin'izany rehetra izany, dia ianao lehilahy no manokatra ny varavarana hidirany sy manolotra azy ny seza izay tokony hipetrahany. fa tsy mandeha fotsiny amin'izao akory izy ity. Izany no ataon'ny Frantsay hoe "galanterie

Ianao ve mampianatra ny zanakao handainga?
2020/05/07,14:43

 

Sabotsy hariva tamin'izay, nisy nandondona tao an-trano.

Hoy Dada: mandehana jereo izany, fa raha vao Mr Ralay dia teneno hoe tsy ato aho!

Lasa i zandry namoha ny varavarana: tsy ao hono Dadanay ! Laughing

 

Andro vitsy lasa koa, nividy fitaovan-dakozia i Neny

Tandremo ndray nareo rankizy sao dia miteniteny an'i Dada hoe nividy an'io aho. Sealed

Zoky : Dia aiza io izany no afenina ?

 

Fa androany kosa, voatrerona mafy ny ankizy

Iza no namaky an'io lovia bakoly be vaovao io? ary nankaiza koa ilay taratasiko teo ambony latabatra teo.

Namaly ny ankizy: tsy hainay fa ilay sakan-dRalay iny no nivezivezy teo foana... Surprised

Hoy Dada: Hitako anie fa ao an'efitranonareo ao izao ilay taratasy e.

iza fotsiny izany no naka azy teo?

fa iza no nampianatra anareo handainga ???

 

 

 

 

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype